4D “Hazo Fijaliana”
Gr.: σταυρός (staorôs); lat.: crux
Miresaka momba ny “hazo fijaliana” namonoana an’i Jesosy tao Kalvaria, na Ikarandoha, ny Mt 27:40. Tsy misy ny porofo ilazana fa ilay teny grika hoe staorôs ampiasaina eo dia midika hoe lakroa, sahala amin’ilay fampiasan’ny mpanompo sampy fahiny teo amin’ny fivavahany, nandritra ny taonjato maro talohan’i Kristy.
Tamin’ny teny grika fampiasan’ny avara-pianarana, ny hoe staorôs dia midika fotsiny hoe tsato-kazo mahitsy, hazo fanaovana fefy, na andry fanaovana fototra. Ilay matoanteny hoe staorôô kosa dia midika hoe manao fefy hazo, manao fefy tsato-kazo ho fiarovana. Teny grika tsotra (kôine) no nampiasain’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Ilay teny grika hoe staorôs mitovy dika amin’ilay teny grika fampiasan’ny avara-pianarana ihany no nampiasain’izy ireo, izay midika hoe tsato-kazo tsotra, na hazo mahitsy, tsy nahitana hazo nitsivalana mihitsy. Tsy misy porofo afaka mandiso an’izany. Nampiasa ny teny hoe ksylôn koa ny apostoly Petera sy Paoly rehefa nilaza an’ilay fitaovana fampijaliana namantsihana an’i Jesosy. Midika hoe tsato-kazo mahitsy tsy nisy hazo nitsivalana ny hoe ksylôn eo. Tsato-kazo mahitsy àry no namantsihana an’i Jesosy. (As 5:30; 10:39; 13:29; Ga 3:13; 1Pe 2:24) Ahitana hoe ksylôn ao amin’ny LXX ao amin’ny Ezr 6:11 (2 Ezra 6:11), ary voalaza ao fa vatan-kazo tokony hanantonana ny mpandika lalàna izy io, toy ilay ao amin’ny As 5:30; 10:39.
Hoy i W. Vine momba ny dikan’ny hoe staorôs, ao amin’ilay bokiny hoe Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy) (fanontana 1966), Boky I, p. 256: “Ny STAUROS (σταυρός) dia manondro, voalohany indrindra, hazo mahitsy na tsato-kazo, izay namantsihana ny olon-dratsy mba ho faty. Efa hatrany am-boalohany no tsy nitovy tamin’ilay lakroa miendrika vatan-kazo mifanapaka fampiasan’ny eglizy, io anarana io sy ilay matoanteny hoe staorôô, izay midika hoe mamantsika eo amin’ny tsato-kazo na hazo mahitsy. Avy tany Kaldea fahiny mantsy io endriky ny lakroa io, ary marika famantarana ny andriamanitra Tamoza (mitovy bika amin’ilay Tau manana hery miafina, izany hoe, ilay litera voalohany amin’ny anarany) tany amin’io tany io sy ireo tany nifanila taminy, anisan’izany i Ejipta. Tany antenatenan’ny taonjato faha-3, dia nialan’ny eglizy na naolany ny fampianarana sasany tao amin’ny finoana kristianina. Te hampitombo ny lazany ny eglizy nivadi-pinoana, ka noraisiny ho anisany ny mpanompo sampy mbola tsy nanova ny zavatra ninoany, ary navelany hitana ny ankamaroan’ny marika famantarana efa fampiasany. Izany no nahatonga ny Tau, na T, izay misy tsivalana ambany kokoa, nekena mba hanondroana ny lakroan’i Kristy.”
Milaza ny rakibolana latinina nosoratan’i Lewis sy Short fa tany am-boalohany ny crux dia midika hoe “hazo maniry, rafitra hazo, na fitaovana famonoana vita tamin’ny hazo nampiasaina mba hamantsihana na hanantonana mpanao heloka bevava.” Tatỳ aoriana ny crux vao nadika hoe “lakroa.” Crux simʹplex no teny latinina niantsoana ny tsato-kazo tokana namantsihana jiolahy. Nataon’i Juste Lipse (1547-1606) tao amin’ny bokiny hoe De cruce libri tres, Anvers, 1629, p. 19 ny sarin’ny iray amin’ireny fitaovana fampijaliana ireny. Avy tao amin’io bokiny io mihitsy ilay sarin’ny crux simplex, miaraka amin’ity Fanazavana Fanampiny ity.
Hoy ilay boky hoe Ny Lakroa sy ny Famantsihana teo Amin’ny Lakroa (alemà), nosoratan’i Hermann Fulda, Breslau, 1878, p. 109: ‘Tsy voatery ho nisy hazo naniry teny amin’ireo toerana nofidina mba hamonoana olona ampahibemaso. Vatan-kazo tsotra àry no natsatoka tamin’ny tany. Teo amin’izy io no nofatorana na nofantsihana ny tanana sy ny tongotry ny mpandika lalàna, ary nakarina ambony ny tanany.’ Nanome porofo maro i Fulda, ary namarana ny teniny toy izao, eo amin’ny pejy faha-219-220: “Novonoina teo amin’ny tsato-kazo tsotra i Jesosy. Ireto ny porofo: a) Zatra mampiasa an’io fitaovam-pamonoana io ny Tatsinanana, b) milaza izany an-kolaka ny tantaran’ny fijalian’i Jesosy, ary d) manamarina izany ny teny maro nampiasain’ny rain’ny eglizy tany am-boalohany.”
Nandinika lalina an’ilay teny grika hoe staorôs, i Paul Schmidt, mpampianatra tao amin’ny Oniversiten’i Basel, tao amin’ilay bokiny hoe Ny Tantaran’i Jesosy (alemà), Boky 2, Tübingen sy Leipzig, 1904, p. 386-394. Hoy izy eo amin’ny pejy faha-386: “Ny σταυρός [staorôs] dia midika hoe tsato-kazo mahitsy, na vatan’ny hazo maniry.” Izao no nosoratany eo amin’ny pejy faha-387-389, momba ilay sazy nampiharina tamin’i Jesosy: “Tantarain’ny Filazantsara fa nokaravasina i Jesosy. Ankoatra izany, dia ilay fomba famonoana tsotra indrindra fanaon’ny Romanina no sazy nampiharina taminy, dia ny fanantonana vatan’olona tsy miakanjo eo amin’ny tsato-kazo. Tsy maintsy nilanja na nitaritarika ilay tsato-kazo nankany amin’ny toeram-pamonoana i Jesosy, mba hahatonga ilay sazy hanala baraka kokoa. ... Tsy nisy zavatra hafa natao ankoatra ny fanantonana, izay fanao matetika rehefa maro be no niara-novonoina: 2000, ohatra, no niara-novonoin’i Varus (Jos. Ant. XVII 10. 10), i Quadratus (Adin’ny Jiosy II [anglisy] 12. 6), ny Governora Feliksa (Adin’ny Jiosy II 15. 2 [13. 2]), ary i Titus (Adin’ny Jiosy VII. 1 [V 11. 1]).”
Tsy misy porofo mihitsy àry ahafahana milaza fa nofantsihana teo amin’ny vatan-kazo roa mifanapaka mahitsy i Jesosy Kristy. Tsy te hanampy na inona na inona ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izahay, ka tsy nampidirinay ao amin’ny Soratra Masina ilay hevitra momba ny lakroan’ny mpanompo sampy. Nadikanay araka ny heviny tsotra indrindra ny hoe staorôs sy ksylôn. Nampiasa ny hoe staorôs i Jesosy mba hilazana ny fahoriana sy ny fahafaham-baraka na ny fijaliana hanjo ny mpanara-dia azy. (Mt 16:24) Nadikanay hoe “hazo fijaliana” ny staorôs mba hanavahana azy amin’ny ksylôn, izay nadikanay hoe “tsato-kazo” na “hazo”, toy ilay ao amin’ny As 5:30.
[Sary, pejy 1879]
Sarin’ny crux simplex