1
Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo
Ny anaran’Andriamanitra amin’ny sora-tanana hebreo fampiasa talohan’ny sesitany tany Babylona
Ny anaran’Andriamanitra amin’ny sora-tanana hebreo fampiasa taorian’ny sesitany tany Babylona
Hita im-7 000 eo ho eo ao amin’ny Soratra Hebreo ny anaran’Andriamanitra. Renisoratra efatra hoe יהוה no fanoratra azy io amin’ny teny hebreo. Nadika hoe “Jehovah” ireo Litera Efatra ireo, ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Io no anarana miverina imbetsaka indrindra ao amin’ny Baiboly. Marina fa maro ny anaram-boninahitra nampiasain’ny mpanoratra Baiboly, toy ny hoe “Mahery Indrindra”, “Avo Indrindra”, ary “Tompo.” Ireo Litera Efatra ihany anefa no anaran-tsamirery iantsoan’izy ireo an’Andriamanitra.
I Jehovah mihitsy no nampanoratra ny anarany ao amin’ny Baiboly. Nasainy nanoratra, ohatra, i Joela mpaminany hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara.” (Joela 2:32) Izao koa no nasainy nampidirina ao amin’ny Salamo 83:18: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Ao amin’ny Salamo fotsiny aza, dia miseho im-700 eo ho eo ny anaran’Andriamanitra, nefa ny Salamo nasaina nohiraina sy naverimberin’ny vahoakan’Andriamanitra. Koa nahoana ny Baiboly maro no tsy ahitana ny anaran’Andriamanitra? Nahoana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no mampiasa an’ilay hoe “Jehovah”? Ary inona no dikan’io anarana io?
Ampahan’ny horonana misy ny Salamo, hita tany amin’ny Ranomasina Maty. Efa tamin’ny taona 50 tany ho any izy io no vita. Sora-tanana fampiasa taorian’ny sesitany tany Babylona no nanoratana an’io Salamo amin’ny teny hebreo io. Miavaka tsara kosa ireo Litera Efatra, satria mbola ilay sora-tanana fampiasa talohan’ny sesitany
Nahoana no tsy hita ao amin’ny Baiboly maro ny anaran’Andriamanitra? Satria misy mihevitra fa tsy mila anarana manokana iantsoana azy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Misy indray nanaraka ny lovantsofina jiosy hoe tsy azo tononina ilay anarana, sao manivaiva azy, hono. Ao koa ireo mieritreritra fa tsy fantatra izay tena fanononana an’ilay anarana, ka aleo soloana fotsiny hoe “Tompo” na “Andriamanitra.” Tsy mitombina anefa izany rehetra izany, noho ireto antony ireto:
Ahitana ny anaran’Andriamanitra ny horonam-boky misy ny teniny, anisan’izany ireo efa voasoratra talohan’ny andron’i Kristy. Izany no tokony ho fantatr’izay mihevitra fa tsy mila anarana manokana ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Efa voalaza tany aloha fa nasainy naverina im-7 000 teo ho eo ao amin’ny Teniny ny anarany. Mazava àry fa tiany ho fantatsika sy hampiasaintsika io anarany io.
Tsy nanala ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboliny ny mpanora-dalàna jiosy, na dia tsy nety nanonona an’ilay anarana aza. Mila mitadidy an’izany ireo mihevitra fa tsy azo tononina ny anaran’Andriamanitra. Nahitana an’io anarana io imbetsaka mantsy ireo horonana hita tany Qoumrân, akaikin’ny Ranomasina Maty. Matoa koa nosoloan’ny mpandika teny sasany sora-baventy hoe “TOMPO” ny anaran’Andriamanitra, dia eken’izy ireo ihany fa hita tao amin’ny sora-tanana tany am-boalohany io anarana io. Koa nahoana àry ireny mpandika teny ireny no sahy nanova na nanala ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly, nefa fantany hoe niseho inarivony tao izy io? Iza moa no nanome alalana azy ireo hanao izany? Ry zareo no aoka hamaly.
Ary ahoana ireo milaza fa tsy tokony hampiasaina ny anaran’Andriamanitra satria hoe tsy fantatra ny tena fanononana azy? Tsy tokony hanonona ny anaran’i Jesosy koa izy ireo, raha izany. Hafa mihitsy mantsy no nanononan’ny mpianany azy io, fa tsy hoatran’izay mahazatra ny Kristianina ankehitriny. Ny Kristianina jiosy, ohatra, mety ho niantso an’i Jesosy hoe Yeshoà, ary ilay hoe “Kristy” kosa notononiny hoe Mashiah na “Mesia.” Ny Kristianina niteny grika kosa niantso azy hoe Iesos Kristôs, ary ireo niteny latinina indray nanao hoe Iesus Kristus. Nasain’Andriamanitra nosoratana tao amin’ny Soratra Grika anefa ny anaran’i Jesosy. Nampiasa azy io àry ny Kristianina voalohany, ka izay fanononana mety tamin’ny teny grika fotsiny no nampiasainy, fa tsy ilay anaran’i Jesosy tamin’ny teny hebreo. Izany koa no mahatonga ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao hihevitra fa mety ny mampiasa ny hoe “Jehovah”, na dia tsy tena mitovy amin’izay nanononana azy tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany aza.
Nahoana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no mampiasa an’ilay hoe “Jehovah”? Azo adika hoe YHWH na JHVH ireo renisoratra hebreo efatra (יהוה). Tsy nisy zanatsoratra ilay izy, satria tsy nasiana zanatsoratra ny teny hebreo tamin’izany rehefa nosoratana. Hain’ny mpamaky anefa ny zanatsoratra tokony hotononina, satria mbola fampiasan’ny olona tamin’izany ny teny hebreo tranainy.
Arivo taona teo ho eo taorian’ny nahavitan’ny Soratra Hebreo, dia nasian’ny manam-pahaizana jiosy teboka sy tsipika kely isan-karazany ny renisoratra, mba hamantarana ny zanatsoratra miaraka aminy. Efa ninonino foana anefa ny Jiosy tamin’izany, hoe tsy azo tononina ny anaran’Andriamanitra. Nosoloan’izy ireo anaram-boninahitra toy ny hoe “Tompo” àry ilay izy. Noho izany, rehefa nanoratra ny anaran’Andriamanitra izy ireo, dia zanatsoratra tao amin’ireny anaram-boninahitra ireny no nakambany tamin’ireo renisoratra efatra. Na jerena aza izany ireo sora-tanana misy teboka sy tsipika kely, dia mbola tsy fantatra ihany ny tena fanononana ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo tranainy. Ankoatra izay, dia ao ireo mihevitra fa mety ho notononina hoe “Yahveh” ilay anarana. Misy koa anefa milaza fomba fanonona hafa. Iao, ohatra, no andikana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny horonana amin’ny teny grika misy ny Levitikosy, izay hita tany amin’ny Ranomasina Maty. Nisy mpanoratra grika koa nampiasa ny hoe Iae na Iabe na Iaoe. Tsy misy afaka milaza anefa hoe izao na izao ny tena marina. Tsy fantatra mantsy ny tena nanononan’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny an’ilay anarana tamin’ny teny hebreo. (Genesisy 13:4; Eksodosy 3:15) Ny azo antoka dia hoe nampiasa ny anarany foana Andriamanitra rehefa niresaka tamin’ny mpanompony. Izy ireo koa niantso azy tamin’io anarana io, ary nampiasa azy io rehefa niresaka tamin’ny hafa.—Eksodosy 6:2; 1 Mpanjaka 8:23; Salamo 99:9.
Nahoana àry ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no nifidy an’ilay hoe “Jehovah”? Satria fampiasan’ny olona efa ela izy io.
Anaran’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 15:2, fandikan-tenin’i William Tyndale, 1530
Rehefa nandika ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly i William Tyndale tamin’ny 1530, dia ilay anarana hoe “Iehouah” no nampiasainy. Nivoatra anefa ny teny ka rehefa nandika ny Salamo i Henry Ainsworth tamin’ny 1612, dia “Iehovah” no nanoratany azy. Ilay hoe “Jehovah” amin’izay no nampiasaina rehefa nohavaozina io fandikan-teny io tamin’ny 1639, ka natao pirinty niaraka tamin’ireo Boky Dimy Voalohany. Rehefa jerena koa ny Baiboly malagasy navoakan’ny Fikambanan’ny Misioneran’i Londres (LMS) tamin’ny 1835, dia “Jehovah” no hita ao.
Nandika ny Salamo ilay manam-pahaizana fanta-daza atao hoe Joseph Rotherham tamin’ny 1911, ao amin’ilay boky hoe Fandinihana ny Salamo (anglisy). Nanazava izy hoe tsy “Yahveh” no nampiasainy fa “Jehovah”, satria ‘io no mahavantana kokoa ny mpamaky Baiboly sady eken’ny rehetra.’ Hoy koa ilay manam-pahaizana atao hoe A. Kirkpatrick, tamin’ny 1930: ‘Milaza ny mpandalina fitsipi-pitenenana hoe Yahveh na Yahaveh no tokony hampiasaina. JEHOVAH anefa no efa nahazatra hatramin’izay. Tsy ny fanononana azy koa no zava-dehibe fa ny hahafantarana hoe Anaran-tsamirery ilay izy, fa tsy anaram-boninahitra fotsiny toy ny hoe “Tompo.”’
Ireo Litera Efatra YHWH na JHVH: “Manao Izay Hahatonga Izy”
Matoanteny HWH: “Tonga ho”
Inona no dikan’ilay anarana hoe Jehovah? Avy amin’ny matoanteny hebreo midika hoe “tonga ho” izy io. Araka ny hevitry ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao àry dia “Manao Izay Hahatonga Izy” no dikan’ilay anarana. Samy manana ny heviny ny manam-pahaizana, ka tsy afaka miteny isika hoe io no mety indrindra. Mifanentana tsara amin’i Jehovah anefa io famaritana io, satria izy no Mpamorona sy Mpanatanteraka ny fikasany. Izy no nampisy an’izao rehetra izao, anisan’izany ny anjely sy ny olombelona. Ataony foana koa izay hahatonga ny fikasany ho tanteraka.
Misy matoanteny hebreo mifandray amin’ilay hoe “tonga ho”, ao amin’ny Eksodosy 3:14, hoe: “Hoporofoiko fa Izaho Ilay Mahavita Izay Iriko”, na koa hoe “Ho Tonga Izay Rehetra Tiako Aho.” Midika izy io fa mahavita miovaova araka izay tiany i Jehovah, amin’ny toe-javatra rehetra, mba hanatanterahana ny fikasany. Tsy izay ihany anefa no hevitry ny anarany, satria iray amin’ny toetra mampiavaka an’i Jehovah fotsiny izany. Tsy hoe ny tenany ihany mantsy no afaka miova araka izay iriny, fa ny zavaboariny koa azony ampiasaina sy ovana amin’izay rehetra ilany azy mba ho tanteraka izay kasainy.