Nampihena Tamin’ny Fomba Mandaitra ny Fahalotoam-pitondran-tena Izy Io
Nanao tatitra ny mpanolo-tsaina ao amin’ny oniversite iray any Oklahoma, Etazonia, fa izany no nataon’ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra. Izao no nosoratan’io mpanolo-tsaina ao amin’ny Oniversiten’i Langston io:
“Manoro hevitra izay olona rehetra mifampiraharaha amin’ny tanora eo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 18 taona aho mba hampiasa io boky miavaka io. Manazava ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’ny fomba tokony ho fantatr’ireo mpianatra izy io ka hahafahany hiatrika amim-pahombiazana ny zava-manahirana momba ny fiaraha-monina sarotra amin’izao andro izao. Tamin’ny fanandraman-javatra manokana hitako, dia manampy azy ireo izy io hahalala tsara izay mitranga raha toa izy ireo maloto fitondran-tena. Mampahafantatra azy ireo ny aretina samihafa mifindra amin’ny alalan’ny firaisana, toy ny SIDA, ny herpès, sy ny angatra, izy io.
“Raha tena manapa-kevitra hanao firaisana ianao dia hazavain’izy io ny fomba tokony hifidianana olona tokana ihany eo amin’ny fiainana, ary tohanany ny fahamasinan’ny fanambadiana. Tena nahafaly ahy ny nampiasa io boky io. Misy heriny eo amin’ny fiainan’ireo izay mampiasa azy izy io. Nomarihiko fa nihena tamin’ny fomba mandaitra ny isan’ireo tovovavy nanjary bevohoka taorian’ny nampidirana azy io tao amin’ny fandaharam-panomezana torohevitra nataonay.”
Raha tianao ny hahazo iray amin’ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, na raha tianao ny hahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano, dia manorata aza fady amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5.