FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/1 p. 32
  • “Nataony tao Amin’ny Gazety Ilay Izy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Nataony tao Amin’ny Gazety Ilay Izy”
  • Mifohaza!—1997
Mifohaza!—1997
g97 8/1 p. 32

“Nataony tao Amin’ny Gazety Ilay Izy”

Izany no nolazain’ny zazavavy iray feno fankasitrahana, avy any Kanada, tao amin’ny taratasy fisaorana ho an’ny Fikambanana Watch Tower. Nandray anjara tamin’ny fifaninanana mandaha-teny ampahibemaso tany an-tsekoly izy, ary ny famelabelarana nataony dia nahafinaritra aoka izany ny mpitsara iray tamin’ilay antokona mpitsara, hany ka nangata-dalana hanao pirinty azy io tao amin’ny gazety teo an-toerana izy.

Ahoana no nifidianan’ilay zazavavy ilay loha hevitra novelabelariny? “Nanan-java-nanahirana momba ny resadresa-poana ny mpiara-mianatra amiko, indrindra ireo zazavavy”, hoy ny nohazavainy. Koa nataony niorina tamin’ny fanazavana novakiny tao amin’ny Mifohaza! ny famelabelarany. Ny sombiny tamin’ilay lahateniny dia navoaka tao amin’ny The Review, gazety iray teo an-toerana any Niagara Falls, Ontario, teo ambanin’ny lohateny hoe “Afaka ny Hanimba ny Resadresa-poana; Ahoana ny Hevitrao?”

Inona no nanaitra aoka izany ny sain’ilay anisan’ny antokona mpitsara? Mariho ny tapany sasany avy tamin’ny lahatenin’ilay zazavavy: “Amin’izao andro izao dia tena mahazatra ny resadresa-poana eo amin’ny fiaraha-monina. Afaka miteraka aretin’andoha be, alina maro tsy ahitan-tory ary ambonin’ny zava-drehetra, fihetseham-po voaratra, izy io. (...)

“Tsy afaka mampiato ny resadresaka isika satria voajanahary amin’ny olona ny miresaka. Ny zavatra iray azontsika atao dia ny mifehy azy io hatrany. Ireto misy tolo-kevitra vitsivitsy momba ny fomba hanaovana izany: 1. Aza manampy trotraka an’izany. 2. Aza mihaino an’ilay resadresa-poana. (...) Amin’ny fihainoana resadresa-poana, dia mety ho toy ny hoe manaiky izay lazaina ianao. 3. Ny resadresa-poana manimba koa dia mety hahatonga anao ho mpandainga. 4. Ny torohevitra lehibe indrindra amin’izy rehetra dia ny hoe mieritrereta alohan’ny hitenenanao! Manontania tena hoe ‘Inona no ho tsapako raha izany no lazaina momba ahy?’ ”

“Ampiharo ireo dingana efatra ireo”, hoy ny famaranan-tenin’ilay zazavavy, “dia azo inoana mihitsy fa ho tonga olona tsaratsara kokoa ianao.”

Torohevitra azo ampiharina re izany ho an’ny rehetra, fa tsy ho an’ny tanora any an-tsekoly ihany! Miezaka ny Mifohaza! mba hanolotra fanazavana tonga amin’ny fotoana ilana azy sady nivoaka farany, momba ny loha hevitra maro karazana. Raha tianao ny hahazo tsy tapaka itỳ gazety itỳ, dia manontania ny iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fotoana manaraka hitsidihany, na manorata amin’ny adiresy voalaza ao amin’ny lisitra ao amin’ny pejy faha-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara