Avy Amin’ny Mpamaky
Fianarana Fiteny Ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Moa ve Ianao Te Hianatra Fiteny Vahiny?” (8 Janoary 2000) Misy vahiny maro eto Bavière. Na dia miteny alemà aza ny ankamaroan’izy ireny, dia mandray tsara kokoa ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly izy ireny rehefa reny amin’ny fitenin-drazany izy io. Koa satria avy any Rosia ny ankamaroany, dia nanapa-kevitra ny hianatra ny fiteniny aho. Marina ny nolazainareo fa zava-tsarotra tokoa ilay izy. Resiko anefa ilay sakana voalohany, izany hoe, ny fianarana ny abidy, ary tsy toy ny zavatra tsy hay vakina intsony ireo litera amiko.
B. K., Alemaina