FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 11
  • Ny Avana Voalohany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Avana Voalohany
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Avana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Olona Valo Sisa no Velona!
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Horavana Amin’ny Rano Indray ve ity Tontolo Ity?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 11

TANTARA 11

Ny Avana Voalohany

FANTATRAO ve ny zavatra voalohany nataon’i Noa rehefa nivoaka ny sambofiara izy sy ny fianakaviany? Nanao fanatitra na fanomezana ho an’Andriamanitra izy. Hitantsika manao izany izy eto amin’ny sary ambany. Nanao fanatitra biby i Noa mba hisaorana an’Andriamanitra noho ny namonjeny ny fianakaviany tamin’ny Safodrano lehibe.

Nahafaly an’i Jehovah ve ilay fanomezana, araka ny hevitrao? Izany tokoa. Ary dia nampanantena an’i Noa izy fa tsy handringana na oviana na oviana intsony an’izao tontolo izao amin’ny Safodrano.

Tsy ela dia maina tanteraka ny tany, ary nanomboka fiainam-baovao i Noa sy ny fianakaviany tany ivelan’ny sambofiara. Nitsodrano azy ireo Andriamanitra ka niteny hoe: ‘Aoka ianareo ho maro anaka. Aoka ianareo ho maro be mandra-pahafeno olona ny tany manontolo.’

Nefa any aoriana, rehefa handre ny amin’ilay Safodrano lehibe ny olona, dia mety hatahotra sao mitranga indray ny Safodrano toy izany. Ka dia nomen’Andriamanitra ny zavatra iray izay hampahatsiaro ny olona ny fampanantenany tsy hanafotra na oviana na oviana intsony ny tany manontolo. Fantatrao ve izay nomeny mba ho fampahatsiarovana azy ireo? Izany dia ny avana.

Matetika no hita eny amin’ny lanitra ny avana rehefa mamiratra ny masoandro aorian’ny orana. Mety hanana loko maro tsara tarehy ireny avana ireny. Efa mba nahita iray ve ianao? Hitanao ve io anankiray eo amin’ny sary io?

Izao no nolazain’Andriamanitra: ‘Mampanantena aho fa tsy ho ringan’ny Safodrano na oviana na oviana intsony ny olona sy ny biby rehetra. Apetrako eny amin’ny rahona ny avako. Ary rehefa miseho ny avana dia ho hitako izany ka hotsarovako ny fampanantenako.’

Noho izany, rehefa mahita avana iray ianao, dia tokony hampahatsiaro inona anao izany? Ny fampanantenan’Andriamanitra tsy handringana na oviana na oviana intsony an’izao tontolo izao amin’ny Safodrano lehibe.

Genesisy 8:18-22; 9:9-17.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara