FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 13
  • Abrahama: Sakaizan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Abrahama: Sakaizan’Andriamanitra
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nankatò An’Andriamanitra i Abrahama sy Saraha
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Iza moa i Abrahama?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Manana Finoana Tahaka ny An’i Abrahama ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 13

Tantara 13

Abrahama: Sakaizan’Andriamanitra

NY IRAY amin’ireo toerana nalehan’ny olona mba honenana taorian’ny Safodrano dia nantsoina hoe Ora. Tonga tanàna lehibe nanana trano sasany nahafinaritra izy io. Nefa dia mpivavaka tamin’ny andriamani-tsy izy ny olona tao. Ny mponina tany Ora sy Babela dia tsy mba sahala amin’i Noa sy Sema zanany lahy izay nanohy nanompo an’i Jehovah hatrany.

Farany, 350 taona taorian’ny Safodrano, dia maty i Noa nahatoky. Roa taona tatỳ aoriana dia teraka ny lehilahy izay hitanao eo amin’ny sary. Tena olona niavaka tokoa izy teo anatrehan’Andriamanitra. Abrahama no anarany ary nonina niaraka tamin’ny fianakaviany tao amin’ny tanànan’i Ora izy.

Indray andro dia hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: ‘Ilaozy Ora sy ny havanao, ary mandehana any amin’ny tany izay hasehoko anao.’ Nankatò an’Andriamanitra ve i Abrahama ary nahafoy ny zavatra rehetra nampiadana tao Ora? Eny, nanao izany izy. Ary noho i Abrahama nankatò mandrakariva an’Andriamanitra no nahatonga azy ho fantatra ho toy ny sakaizan’Andriamanitra.

Niaraka tamin’i Abrahama ny sasany tamin’ny fianakaviany rehefa nandao an’i Ora izy. Anisan’izany i Tera rainy. Toy izany koa i Lota zana-drahalahiny. Mazava ho azy fa nandeha koa i Saraha vadin’i Abrahama. Tonga tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Harana izy rehefa nandeha ny fotoana. Tao no maty i Tera. Lavitra be an’i Ora izy ireo izao.

Nandao an’i Harana i Abrahama sy ny ankohonany rehefa afaka fotoana fohy, ary tonga tao amin’ny tany nantsoina hoe Kanana. Dia hoy i Jehovah tao: ‘Ity no tany izay homeko ny taranakao.’ Nijanona tany Kanana i Abrahama ary nitoetra an-day.

Nanomboka nanampy an’i Abrahama Andriamanitra mba hahatongavany amin’ny fananana andian’ondry sy andiam-biby hafa maro be ary mpanompo an-jatony maromaro. Tsy niteraka anefa izy sy Saraha.

Rehefa 99 taona i Abrahama, dia hoy i Jehovah: ‘Mampanantena aho fa ho tonga rain’ny firenena maro ianao.’ Ahoana anefa no hetezan’izany, satria efa antitra loatra izao i Abrahama sy Saraha ka tsy afaka hiteraka?

Genesisy 11:27-32; 12:1-7; 17:1-8, 15-17; 18:9-19.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara