Nandrava tontolo ratsy iray Andriamanitra
18 Nihamaro ny taranak’i Adama. Nanjary ratsy dia ratsy koa izy ireo. Nanapa-kevitra Andriamanitra fa handringana azy ireo.—Genesisy 6:1, 5, 7
19 Nisy lehilahy tsara iray anefa. Noa no anarany.—Genesisy 6:8, 9
Nasain’i Jehovah Andriamanitra nanamboatra sambo iray tena lehibe izy mba hamonjena azy sy ny fianakaviany, rehefa horinganina ny olona ratsy. Nitovy bika tamin’ny vata be io sambo io. Nantsoina hoe sambo fiara izy io.—Genesisy 6:13, 14
20 Nampiditra biby maro be ho ao anatin’ilay sambo fiara izy ireo.—Genesisy 6:19-21
21 Nampilatsaka ranonorana be dia be i Jehovah. Maty avokoa ny olona ratsy rehetra. Voavonjy ireo tao anatin’ilay sambo fiara. Fantatrao ve ny antony?—Genesisy 6:17; 7:11, 12, 21; 1 Petera 3:10-12