FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wi p. 2
  • Sasin-teny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sasin-teny
  • Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
wi p. 2

Sasin-teny

Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any? — Tamin’izao androntsika izao no nahitana ireo ady nandrava indrindra izay nampahory ny taranak’olombelona. Namela mpitondratena sy lehilahy maty vady ary kamboty an-tapitrisany maro, nitomany ireo olon-tiany, izy ireny. Tamin’ny 1991, tao amin’ny kaonferansa momba ny fandriampahalemana any Moyen-Orient natao tao Madrid, dia nilaza toy izao i Yitzhak Shamir: “Azoko antoka fa tsy misy mihitsy reny arabo maniry ny hahafatesan’ny zanany lahy any amin’ny ady — tahaka ny tsy hisian’ny reny jiosy iray haniry ny hahafatesan’ny zanany lahy any amin’ny ady.” Araka izany, dia mety tokoa ny lohateny raisintsika hoe: Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?

Ankoatra izany, efa mba nanontany tena ve ianao hoe: Misy fomba ahafahana manamarina ny fisian’Andriamanitra ve? Raha izany no izy, nahoana izy no namela hisy ny fahoriana be dia be toy izao? Inona no fikasan’Andriamanitra ho antsika ary ahoana no ahafahantsika mahafantatra izany? Porofo inona no ananantsika fa ara-tsindrimandry ny Baiboly? Manao ahoana marina ny toetran’ny maty ary inona no fanantenana ho azy ireny, raha toa ka misy izany? Hodinihina mandritra ity famelabelarana ity ireo fanontaniana ireo sy ny hafa.

Raha tsy hoe voalaza angaha, ny fakàn-teny rehetra ao amin’​ity bokikely ity dia nalaina avy amin’​ny fandikan-teny maoderina Tanakh (1985), A New Translation of the Holy Scriptures, The Jewish Publication Society.

Marika famantarana ireo fandikan-tenin’​ny Baiboly nampiasaina:

  • JP - The Holy Scriptures, The Jewish Publication Society of America (1955)

  • NW - New World Translation of the Holy Scriptures​—With References (1984)

  • Ta - Tanakh, A New Translation of the Holy Scriptures, The Jewish Publication Society (1985)

Tendrombohitra Hermona

Tendrombohitra Hermona

Eny akaikin’ny Ranomasina Galilia

Eny akaikin’ny Ranomasina Galilia

Onin’i Jordana

Onin’i Jordana

Mety ho tonga paradisa iray ny tany — nataon’ny olona ho saha fiadiana izy io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara