LESONA 54
Nandefitra Be Tamin’i Jona i Jehovah
Ratsy toetra be ny olona tao Ninive, tanàna anankiray tany Asyria. Nirahin’i Jehovah ho any àry i Jona mpaminany, mba hiteny amin-dry zareo hoe mila miova ry zareo. Nandositra anefa i Jona. Lalan-kafa mifanipaka amin’ny tokony handehanany indray no nalehany. Nandeha sambo nankany Tarsisy izy.
Lasa nifofofofo be anefa ny rivotra sady nisy oram-baratra, rehefa teny an-dranomasina ilay sambo. Natahotra be daholo ny tantsambo, dia samy nivavaka tamin’ny andriamaniny sady niteny hoe: ‘Fa misy inona àry?’ Dia niteny tamin-dry zareo i Jona tamin’ny farany hoe: ‘Izaho no mahatonga an’izao. Nandositra mantsy aho fa tsy nankatò an’i Jehovah. Atsipazo any an-dranomasina aho, dia tsy ho ratsy intsony ny andro.’ Tsy te hanipy an’i Jona tany anefa ny tantsambo, fa nisisika ihany i Jona. Natsipin-dry zareo ihany àry izy tamin’ny farany, dia nijanona ilay andro ratsy.
Nieritreritra i Jona hoe ho faty. Rehefa nihanilentika tany anaty ranomasina àry izy, dia nivavaka tamin’i Jehovah. Nandefa trondro ngezabe i Jehovah avy eo, dia natelin’ilay izy i Jona fa tsy maty. Dia nivavaka izy tao an-kibon’ilay trondro hoe: ‘Ao fa hankatò anao foana amin’izay aho.’ Nijanona telo andro tao i Jona, ary narovan’i Jehovah. Nasain’i Jehovah naloan’ilay trondro teny amin’ny tany maina izy avy eo.
Tsy nila nankany Ninive intsony ve izany i Jona satria novonjen’i Jehovah? Tsy izany ka! Nasain’i Jehovah nankany indray izy. Nankatò amin’izay izy, dia nandeha. Hoy izy tamin’ireo olona ratsy fanahy tany: ‘Ho rava i Ninive rehefa afaka 40 andro.’ Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga avy eo. Inona izany? Nihaino an’i Jona ny olona dia niova. Hoy ny mpanjakan’i Ninive tamin’ny vahoakany: ‘Mila mivavaka amin’Andriamanitra isika, dia miova. Sao dia mba tsy haringany isika amin’izay.’ Rehefa hitan’i Jehovah hoe niova ry zareo, dia tsy noravany indray i Ninive.
Tezitra be mihitsy i Jona fa tsy noravana akory ilay tanàna. Eritrereto ange e! I Jehovah mba nandefitra sy namindra fo tamin’i Jona ihany, nefa i Jona tsy mba nanao an’izany tamin’ny olona tao Ninive. Lasa izy nankeny ivelan’ny tanàna, dia nipetraka teo ambany alokalok’izay voatavomonta izay sady nilongilongy be. Maty anefa ilay zavamaniry avy eo, dia tezitra be i Jona. Niteny azy àry i Jehovah hoe: ‘Io zavamaniry io indray ve izany no alahelovanao kokoa noho ny olona ao Ninive? Fa ’zaho anefa namindra fo tamin-dry zareo dia tsy maty ry zareo.’ Inona no tian’i Jehovah holazaina? Hoe sarobidy kokoa noho ny zavamaniry ny olona tao Ninive.
‘Manam-paharetana aminareo i Jehovah, satria tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.’—2 Petera 3:9