LESONA 95
Tsy Nisy Nahasakana ny Apostoly Mihitsy
Nisy lehilahy nalemy tongotra, nangataka isan’andro teo am-bavahadin’ny tempoly. Nahita an’i Petera sy Jaona nankao amin’ny tempoly izy, indray andro, dia hoy izy tamin-dry zareo: ‘Mba mangataka re tompoko ô!’ Dia hoy i Petera: ‘Izaho manana zavatra tsara be noho ny vola, azoko omena anao. Amin’ny anaran’i Jesosy, mitsangàna dia mandehana!’ Dia natsangan’i Petera izy, ka nanomboka nandeha. Faly be ny olona nahita an’izany, ka be dia be no lasa nino an’i Jesosy.
Tezitra be anefa ny mpisorona sy ny Sadoseo. Nosamborin-dry zareo ny apostoly dia nentiny tany amin’ny Fitsarana Avo Jiosy, ary noteneniny hoe: ‘Iza no nanome anareo fahefana hanasitrana an’iny lehilahy iny?’ Dia hoy i Petera: ‘I Jesosy Kristy ilay novonoinareo.’ Nivazavaza be ireo mpitondra fivavahana ireo avy eo hoe: ‘Aza miresaka an’izany Jesosy izany intsony!’ Hoy anefa ny apostoly: ‘Izahay tsy maintsy miresaka momba an’azy foana.’
Vao navotsotra i Petera sy Jaona, dia tonga dia nankany amin’ny mpianatra hafa ary nitantara an’izay nitranga. Niara-nivavaka ry zareo hoe: ‘Jehovah ô, ampio izahay tsy hatahotahotra, amin’izay ho vitanay foana ny asanao.’ Nomen’i Jehovah fanahy masina àry ry zareo ka nitory sy nanasitrana foana, dia vao mainka lasa be dia be ny olona nino an’i Jesosy. Nialona be ny Sadoseo, ka nosamborin-dry zareo ny apostoly dia nogadrainy. Nandefa anjely anefa i Jehovah rehefa alina ny andro, dia novohan’ilay anjely ny varavaran’ny fonja. Hoy izy tamin’ny apostoly: ‘Mandehana miverina mampianatra any amin’ny tempoly.’
Ny ampitso marainan’iny ihany, dia efa nisy niteny tamin’ilay fitsarana hoe: ‘Mbola mihidy ny varavaran’ny fonja, nefa ireo olona nogadrainareo efa tsy ao intsony! Mampianatra ao amin’ny tempoly ry zareo izao!’ Dia nosamborina indray ny apostoly, ka nentina tany amin’ilay fitsarana. Hoy ny mpisoronabe: ‘Efa noteneninay ianareo tsy hiresaka momba an’i Jesosy!’ Hoy anefa i Petera: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”
Tezitra be ireo mpitondra fivavahana tao amin’ilay fitsarana, ka tiany hovonoina ny apostoly. Nisy Fariseo atao hoe Gamaliela anefa niteny hoe: ‘Mitandrema ianareo fa mety manampy an-dry zareo ireo ange Andriamanitra e! Sa ianareo tena te hiady amin’Andriamanitra?’ Narahin-dry zareo àry ny teniny. Nokapohin-dry zareo ny apostoly, dia noteneniny indray hoe tsy mahazo mitory intsony, dia avy eo navelany handeha. Tsy nahasakana ny apostoly anefa izany. Sahy nitory ny vaovao tsara foana ry zareo, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.
“Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly 5:29