FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Loza, Voina”
  • Loza, Voina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loza, Voina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Lalàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ireo Tanàna Fandosirana — Fandaharana Feno Famindram-po Nataon’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Vonoan’olona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Manala Zaza, Afa-jaza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Loza, Voina”

LOZA, VOINA

Mazàna no zava-mitranga tsy ampoizina vokatry ny tsy fahalalana na kitoatoa na ny zava-misy tsy azo ialana. Amoizana fananana na aina ny loza na voina, ary mahatonga ratra. Midika ara-bakiteny hoe “fanasitranana” ilay teny hebreo hoe ʼasôhn, izay teny malefaka kokoa ilazana “loza mahafaty.” (Ge 42:4) Nadika hoe “loza” (1Sa 6:9) ny teny hebreo hoe mikreh, izay avy amin’ny fototeny midika hoe “tojo; manjo.” (Ge 27:20; 44:29) Nadika hoe ‘fiafarana’ (Mpto 2:14, 15; 3:19) sy “sendrasendra” (Rt 2:3) koa anefa izy io.

Natahotra i Jakoba sao hisy loza mahafaty hanjo an’i Benjamina, zanany tsy foiny, raha avelany hiaraka tamin’ny rahalahiny ho any Ejipta izy. (Ge 42:4, 38) Nalain’ny Filistinina ny Vata masin’i Jehovah ka voan’ny hemoroida izy ireo. Naverin’izy ireo àry ilay Vata mba hahalalany raha avy tamin’i Jehovah tokoa izay nanjo azy na “loza” sendra nitranga fotsiny. (1Sa 6:9) Niaiky i Solomona fa mety ho azon-tsampona ny rehetra.​—Mpto 9:11.

Samy hafa ny lalàna momba ny loza mahafaty sy ny loza tsy mahafaty. (Ek 21:22-25) Samy hafa koa ny lalàna momba ny vonoan’olona niniana natao sy tsy fanahy iniana. Tsy maintsy novonoina ho faty izay ninia namono olona, fa nasaina nandositra tany amin’ireo tanàna fialokalofana kosa ireo nahafaty olona tsy nahy. (No 35:11-25, 31; jereo TANÀNA FIALOKALOFANA.) Iray ihany ny lalàna ho an’ny Israelita sy ho an’ny vahiny nonina teo aminy. Nohazavain’ny Lalàna ny sorona nilaina natao mba handrakofana ny fahotan’izay nanota tsy nahy ka nahatonga loza.​—Le 4:1-35; 5:14-19; No 15:22-29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara