OLONA AFAKA, OLONA NOMENA FAHAFAHANA
Olona afaka hatramin’ny vao teraka sady manana zom-pirenena feno, toy ny apostoly Paoly, ny “olona afaka” (gr.: eleoterôs). (As 22:28) “Olona nomena fahafahana” (gr.: apeleoterôs) kosa ireo nafahana tsy ho andevo, nandritra ny fitondran’ny Romanina.
Nahazo ny zom-pirenena romanina ny olona iray, raha nafahana tamin’ny fomba ara-dalàna. Tsy nahazo nanao politika na nilatsaka hofidina anefa izy, fa ny zanany na ny zafikeliny kosa nahazo. Raha tsy nafahana tamin’ny fomba ara-dalàna kosa izy, dia afaka nanao zavatra sasany ihany saingy tsy nitovy zo tamin’ny olom-pirenena.—Jereo OLOM-PIRENENA.
Toy ny hoe lasa anisan’ny fianakavian’ilay tompony taloha ny olona iray nafahany, ka adidin’izy ireo ny nifampiahy. Na ilay olona mbola nipetraka tao an-tranon’ilay tompony taloha sady niasa ho azy, na izy nomena toeram-pambolena sy vola mba hivelomany. Nalevin’ilay tompony tao amin’ny fasan-drazany izy rehefa maty, nokarakarainy ny zanany tsy ampy taona, ary lasany ny fananany raha tsy nanana mpandova izy. Raha sahirana ara-bola kosa ilay tompo, dia notakin’ny lalàna hikarakara azy ilay olona nafahany. Ny tompon’ilay olona nafahana ihany anefa no nanao na nanaovana adidy toy izany, fa tsy ny zanany.
Jiosy nobaboin’ny Romanina ary avy eo nafahany, hono, ireo anisan’ny “Synagogan’ireo Nomena Fahafahana [a.b.t.: Tsy Voafehifehy]”, na andevo afaka izay lasa nanaraka ny Fivavahana Jiosy. Ny Baiboly armenianina kosa manao hoe “Libyanina”, izany hoe olona avy any Libya.—As 6:9.
Olona nomena fahafahana sady an’i Kristy ny Kristianina na dia mpanompon’olona aza, satria nafahana tamin’ny ota sy ny fahafatesana. Na olona afaka aza anefa izy, dia novidina tamin’ny ra sarobidin’i Jesosy ka lasa mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ary tsy maintsy mankatò ny didin’izy ireo. Voafetra foana àry ny fahafahana ananan’ny olona. Mitovy ihany amin’Andriamanitra ny mpanompo sy ny olona afaka, eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsy tokony hohararaotin’ny Kristianina hanaronana ny ratsy koa ny fahafahany.—1Ko 7:22, 23; Ga 3:28; He 2:14, 15; 1Pe 1:18, 19; 2:16.