GIRGASITA
(Girgasìta).
Taranak’i Hama avy tamin’i Kanana. (Ge 10:6, 15, 16; 1Ta 1:8, 13, 14) Nonina tany andrefan’i Jordana izy ireo. Firenena natanjaka ny Girgasita sy ny firenena kananita enina hafa, kanefa resin’ny Israelita satria natolotr’i Jehovah teo an-tanan’izy ireo. (De 7:1, 2; Js 3:10; 24:11) Notanterahin’Andriamanitra tokoa ny fampanantenany tamin’i Abrahama, taonjato maro talohan’izay. (Ge 15:13-21; Ne 9:7, 8) Tena nisy ny Girgasita, satria nahitana ny anarana hoe “Girgasa” sy “Ben-girgasa” tao amin’ny asa soratra ogaritika.