SIRTISY
(Sirtìsy) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mitarika”].
Anarana grika niantsoana ny hoala kely roa eo amin’ny ilany avaratra amin’ny morontsirak’i Afrika. Sirtisy Kely (Hoalan’i Gabès ankehitriny) no niantsoana an’ilay hoala eo andrefana (eo anelanelan’i Tunis sy Tripoli), ary Sirtisy Lehibe (Hoalan’i Sidra ankehitriny) kosa no niantsoana an’ilay eo atsinanana. Natahotra an’ireo hoala roa ireo ny tantsambo fahiny satria nisy dongom-pasika nampidi-doza teo, izay nakisakisaky ny onja foana. Nilaza i Strabon, mpahay jeografia tamin’ny taonjato voalohany, fa “vitsy kely ny sambo tafavoaka” eo amin’ireny dongom-pasika ireny.—Jeografia, 17, III, 20.
Rehefa nentina hogadraina tany Roma ny apostoly Paoly, dia namely ny sambo nitondra azy ny rivo-doza avy tany avaratratsinanana, tamin’izy ireo nandalo teo atsimon’i Kreta. Natahotra àry ireo tantsambo sao hidona tamin’ny “dongom-pasik’i Sirtisy”, izany hoe ireo fasi-polaka eo amin’ny Hoalan’i Sidra.—As 27:14-17.