FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Timoty, Taratasy ho An’i”
  • Timoty, Taratasy ho An’i

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Timoty, Taratasy ho An’i
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-54 — 1 Timoty
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Timoty
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-55 — 2 Timoty
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Nahazo torohevitra avy amin’ny loholona iray i Timoty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Timoty, Taratasy ho An’i”

TIMOTY, TARATASY HO AN’I

Taratasy roa anisan’ny Soratra Grika Kristianina ho an’i Timoty. Nilaza ny apostoly Paoly fa izy no nanoratra azy ireo. (1Ti 1:1; 2Ti 1:1) Tany Makedonia no nosoratana ilay voalohany. Manampy antsika haminavina ny fotoana nanoratana azy io ny 1 Timoty 1:3, manao hoe: “Nangataka anao hijanona tany Efesosy aho, taloha kelin’ny hankanesako atỳ Makedonia. Ary mbola mangataka izany aminao aho izao.” Tsy misy resaka an’izany anefa ao amin’ny Asan’ny Apostoly, izay mitantara ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra (taona 33), ka hatramin’ny taona faharoa nigadran’i Paoly tany Roma (t. 61). Toa taoriana kelin’ny nanafahana azy i Paoly no nangataka an’i Timoty hijanona tany Efesosy, fa izy kosa toa nankany Makedonia. Teo anelanelan’ny fotoana nanafahana an’i Paoly tamin’izy nigadra voalohany tany Roma, sy ny fotoana nanagadrana azy farany tany àry no nosoratana ilay taratasy voalohany, izany hoe tamin’ny taona 61-64 tany ho any. Ilay faharoa kosa nosoratana tany Roma tamin’i Paoly nigadra farany tany (t. 65 angamba), taloha kelin’ny nahafatesany.​—2Ti 1:8, 17; 4:6-9.

Anisan’ny Soratra Masina. Ekena ho anisan’ny Baiboly ireo taratasy roa ho an’i Timoty. Ahitana azy ireo daholo mantsy ny lisitra malaza fahiny misy ny boky ekena ho anisan’ny Soratra Grika Kristianina, toy ilay Ampahana Kôdeksa Hitan’i Muratori natao tamin’ny taonjato faharoa. Mifanaraka tsara amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa izy ireo, sady maka teny ao amin’ireny. Noresahin’i Paoly mivantana na an-kolaka, ohatra, ny teny sasany ao amin’ny Nomery (16:5; 2Ti 2:19), Deoteronomia (19:15; 25:4; 1Ti 5:18, 19), Isaia (26:13; 2Ti 2:19), ary ny tenin’i Jesosy Kristy (Mt 10:10; Lk 10:7; 1Ti 5:18). Asongadina ao amin’ireo taratasy ho an’i Timoty koa ny finoana (1Ti 1:2, 4, 5, 14, 19; 2:7, 15; 3:9, 13; 4:1, 6, 12; 5:8, 12; 6:10-12, 21; 2Ti 1:5, 13; 2:18, 22; 3:8, 10, 15; 4:7), ny maha zava-dehibe ny fampianarana ny marina (1Ti 1:3, 4; 4:1-3, 6, 7; 6:3, 4, 20, 21; 2Ti 1:13; 3:14, 15; 4:3, 5), ny fitondran-tena tsara (1Ti 2:8-11, 15; 3:2-13; 4:12; 5:1-21; 6:1, 2, 11-14; 2Ti 2:22), ny vavaka (1Ti 2:1, 2, 8; 4:5; 5:5; 2Ti 1:3), ary ny fiaretana sy tsy fivadihana na dia mijaly aza (2Ti 1:8, 12; 2:3, 8-13).

Antony nanoratana ny Timoty Voalohany. Hoy i Paoly tamin’ny anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy, rehefa nihaona tany Mileto izy ireo tamin’ny taona 56 tany ho any: “Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (As 20:29, 30) Nahazo vahana ny fampianaran-diso, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nangataka an’i Timoty hijanona tany Efesosy àry i Paoly mba ‘handidiany ny sasany tsy hampianatra zavatra hafa, na hihaino tantara tsy marina na handinika tetirazana.’ (1Ti 1:3, 4) Tsy maintsy niady i Timoty mba hadio foana ilay fiangonana, ary mba tsy hiala amin’ny finoana ny Kristianina teo anivony. (1:18, 19) Ho voaro ny finoan’ilay fiangonana raha nampihatra ny voalazan’ilay taratasy i Timoty.

Tena nilaina ny nivavaka raha tiana handroso ilay fiangonana. Mety, ohatra, raha nivavaka ho an’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana ambony ny Kristianina, mba hananana fiainana tony sy nilamina hatrany, tsy nisy fanelingelenana. Hoy i Paoly momba an’ireo nisolo tena ny fiangonana tamin’ny vavaka: “Iriko hanandra-tanana hivavaka foana ny lehilahy tsy mivadika, na aiza na aiza misy azy, nefa tsy amin’ny fahatezerana na fifandirana.” Tokony ho amin’ny fo madio àry no anantonana an’Andriamanitra, fa tsy amin’ny fo feno fahatezerana na fankahalana.​—1Ti 2:1-8.

Tokony hojeren’i Timoty koa raha nitana ny toerana nomen’Andriamanitra azy ny vehivavy (1Ti 2:9-15), raha ireo nahafeno fepetra ihany no natao mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana satria izy ireo no hisakana ny fitaoman’ny mpivadi-pinoana (3:1-13; 5:22), ary raha nampian’ny fiangonana ny mpitondratena mendrika an’izany (5:3-16), nohajaina ny anti-panahy mahay mitondra (5:17-19), niasa tsara ho an’ny tompony ny mpanompo (6:1, 2), nianina tamin’izay nananany ny rehetra fa tsy nikatsaka harena (6:6-10), ary tsy nametraka ny fanantenany tamin’ny harenany ny mpanankarena fa nanan-karena kosa tamin’ny asa tsara sady nalala-tanana (6:17-19). Tokony hiezaka handroso foana koa i Timoty ary “ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovam-pitondran-tena.”​—4:12, 15, 16; 6:11-14.

Antony nanoratana ny Timoty Faharoa. Efa ho ny ampahefatry ny tanànan’i Roma no kilan’ny afo tamin’ny taona 64. Nandeha ny feo hoe i Néron Kaisara no nahatonga izany. Te hiaro tena i Néron, ka ny Kristianina indray no nampangainy. Nanenjika mafy azy ireo àry ny fitondram-panjakana. Tamin’izay (t. 65) angamba i Paoly no nogadraina indray tany Roma. Nanoratra taratasy mampahery ho an’i Timoty izy, na dia nafoin’ny maro sy nijaly tao am-ponja ary nadiva hovonoina aza. (2Ti 1:15, 16; 4:6-8) Afaka nanohitra an’ireo mpivadi-pinoana teo anivon’ny fiangonana àry i Timoty tanora mpiara-miasa taminy, ary afaka ny ho mafy orina na dia nenjehina aza. (2:3-7, 14-26; 3:14–4:5) Azo inoana fa nampahery an’i Timoty koa ny nahare hoe tsy nivadika sy niaritra tao anatin’ny fahoriana mafy i Paoly.​—2:8-13.

Nomen’i Jehovah hery i Paoly ka tsy natahotra. Hoy izy tamin’i Timoty: ‘Ataovy miredareda toy ny afo ilay fanomezan’Andriamanitra, izay noraisinao rehefa nametra-tanana taminao aho. Fa Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina. Koa aza menatra mitory momba ny Tompontsika, na menatra noho ny amiko, dia izaho izay voafonja noho ny aminy. Fa miareta kosa fahoriana noho ny vaovao tsara, araka ny herin’Andriamanitra.’​—2Ti 1:6-8.

[Efajoro, pejy 1041]

HEVITRA MISONGADINA: TIMOTY VOALOHANY

Torohevitra ho an’ny anti-panahy iray momba ny andraikiny

Nosoratan’ny apostoly Paoly rehefa nafahana izy, taorian’ny nigadrany voalohany tany Roma

Notoroana hevitra i Timoty mba hanatanjaka ny finoany

Mila manao ady ara-panahy, manana finoana matanjaka sy feon’ny fieritreretana madio (1:18, 19)

Aza ny fampiasan-tena fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra no ifantohana; aza avela hisy hanao tsinontsinona ny fahatanoranao, fa aoka ianao ho modely sy handroso foana (4:7b-16)

Aza malaky manendry olona ho mpiandraikitra, aza miombona ota amin’ny olona (5:22)

Fampitandremana momba ny fitaoman-dratsy teo anivon’ny fiangonana

Didio ny sasany tsy hampianatra zavatra hafa, na hihaino tantara tsy marina na handinika tetirazana (1:3, 4)

Nisy niala tamin’ny fitiavana sy ny finoana tsy mihatsaravelatsihy; te ho mpampianatra lalàna izy ireo nefa tsy takany ny zava-kendren’izy io (1:5-11)

Hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any (4:1-5)

Tohero ny fitaoman-dratsy; aoka hivelona amin’ny tenin’ny finoana; lavo ny tantara tsy marina (4:6, 7a)

Miteraka fialonana, fifamaliana, fanevatevana, fiahiahiana, fifandirana mafy, ary fitadiavana tombony fotsiny ny fampianaran-diso (6:3-5)

Andosiro ny fitiavam-bola sy ny voka-dratsiny; miadia ny ady tsaran’ny finoana, lavo ny fampianaran-diso (6:11, 12, 20, 21)

Fepetra takina amin’ny mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana

Mpiandraikitra: Tokony ho tsy misy hokianina, manambady tokana, misaina tsara, tia filaminana, tia mandray vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo, mahafehy ny hatezerany, mpandefitra, tsy tia vola, mahay mitondra ny ankohonany, tsy zazavao amin’ny finoana, tsara laza eo amin’ny olona eny ivelany (3:1-7)

Mpanampy amin’ny fanompoana: Tokony ho mato-tsaina, tsy mivadibadi-dela, tsy mpimamo, tsy tia tombony azo tamin’ny tsy marina, nozahan-toetra mba ho hita raha mendrika, tsy misy hokianina, mahay mitondra ny ankohonany (3:8-10, 12, 13)

Toromarika ho an’ny fiangonana

Mivavaha ho an’ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ny mpitondra, mba hananan’ny Kristianina fiainana milamina, ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra; sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra (2:1-4)

Iray ny Andriamanitra, iray ny mpanelanelana dia i Kristy; ‘hanandra-tanana hivavaka ny lehilahy tsy mivadika, nefa tsy amin’ny fahatezerana na fifandirana’ (2:5-8)

Hanao akanjo maotina sy mendrika ary mifanentana amin’ny mpivavaka ny vehivavy; tsy avela hampianatra na hanana fahefana eo amin’ny lehilahy (2:9-15)

Ny mpitondratena 60 taona na mahery, tsara laza ary tsy manan-janaka na zafikely hikarakara, no hampidirina ao amin’ny lisitr’ireo mahazo fanampiana avy amin’ny fiangonana (5:3-16)

Mendrika hahazo “fanajana roa heny” ny anti-panahy mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana (5:17, 18)

Aza ekena izay fiampangana atao amin’ny anti-panahy, raha tsy misy vavolombelona roa na telo; anaro eo imason’ny rehetra ny olona zatra manota (5:19-21)

Tokony hanaiky ny tompony ny mpanompo, indrindra raha mpiray finoana aminy izy io (6:1, 2)

Aoka hianina amin’ny sakafo sy fitafiana ary fialofana; fototry ny ratsy rehetra ny fitiavam-bola, hiala amin’ny finoana ireo tapa-kevitra ny hanan-karena (6:6-10)

Tsy tokony hirehareha na hatoky ny harenany ny mpanankarena, fa ho vonon-kizara amin’ireo sahirana kosa (6:17-19)

[Efajoro, pejy 1042]

HEVITRA MISONGADINA: TIMOTY FAHAROA

Fampirisihana sy torohevitra ho an’i Timoty mba tsy hivadihany ao anatin’ny fotoan-tsarotra

Taratasy farany nosoratan’i Paoly, tamin’izy nigadra fanindroany tany Roma

Nampirisihina handroso foana i Timoty

‘Ataovy miredareda toy ny afo ilay fanomezan’Andriamanitra’ noraisinao; aza menatra mitory momba an’i Kristy na menatra noho ny amin’i Paoly voafonja; miareta fahoriana noho ny vaovao tsara (1:6-8)

Arovy ny modelin’ny teny mahasoa (1:13, 14)

Toy ny miaramila, mifantoha amin-javatra tokana; toy ny mpanao fanatanjahan-tena, araho ny fitsipi-dalao; toy ny mpamboly, miasà mafy; miareta, aza mivadika (2:3-13)

Ataovy izay rehetra azo atao mba hisehoana eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, manazava amin’ny fomba marina tsara ny fahamarinana (2:15)

Andosiro ny fanirian’ny tanora; miezaha hanana toetra tsara, miaraka amin’ireo miantso ny Tompo amin’ny fo madio (2:22)

Notoroana hevitra hanohitra an’ireo mpampianatra sandoka

Halaviro ny ady teny sy ny resaka manazimbazimba zava-masina; aoka halemy paika rehefa manafaka an’ireo voafandriky ny Devoly (2:14, 16-26)

Ho fotoan-tsarotra tsy mora setraina ny andro farany satria ho ratsy fanahy ny olona, ho tia vola sy fahafinaretana, fa tsy ho tia an’Andriamanitra; ialao ny olona toy ireny (3:1-7)

Hanohitra ny fahamarinana foana ireny; mifikira amin’izay efa nekenao fa marina, satria fantatrao ireo nampianatra anao ny fahamarinana avy ao amin’ny Soratra Masina (3:8-17)

Torio foana ny teny sy ny vaovao tsara, tanteraho tsara ny fanompoanao, na dia hisy aza olona tsy te handre fampianarana mahasoa, fa hifidy mpampianatra araka izay tiany fotsiny mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny (4:1-5)

Ny fiainan’i Paoly tany am-ponja

Voatendry ho apostolin’i Jesosy Kristy i Paoly; izany no antony nijaliany nefa tsy menatra izy (1:11, 12)

Nafoin’ireo rehetra tany amin’ny faritr’i Azia izy satria voafonja; nitady mafy azy anefa i Onesiforosy ary namelombelona azy (1:15-18)

Efa ho faty i Paoly, nefa natoky izy fa homen’i Jesosy Kristy ny satroboninahitry ny fahamarinana izy sy izay rehetra maniry mafy ny hisehoany (4:6-8)

Tsy nisy nanotrona azy tamin’izy nilaza ny fiarovan-tenany voalohany; nankahery azy anefa i Jesosy Kristy; natoky izy fa hovonjen’ny Tompo ho amin’ny Fanjakany any an-danitra (4:16-18)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara