FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w73 1/6 p. 341-342
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1973
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no Mitarika ny Vahoakan’​Andriamanitra Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Aoka isika hiara-hiasa amin’ny Kolejy foibe ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Iza “Ilay Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina” ary Inona no Ataony?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1973
w73 1/6 p. 341-342

Fanontanian’ny mpamaky

● Nahoana moa isika no mampiasa ny fitenenana hoe “kolejy foibe” mba hanondroana ireo loholona izay manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy hita ao amin’ny Soratra masina akory ny fitenenana hoe “kolejy foibe”. Misy anefa porofo maro mampiseho fa nisy kolejin’ny loholona nampiasa fitarihana tamin’ny taon-jato voalohany, tao amin’ny kongregasiona kristiana.

Nananatra an’ireo namany kristiana tamin’izao teny izao i Paoly: “Tsarovy ny mpitondra anareo (...). Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy.” Araka ny fandikan-teny hafa, i Paoly dia nilaza tamin’izy ireo mba hahatsiaro “ireo izay mitarika anareo” sy hanoa azy ireny (Crampon 1905). Ny Traduction interlinéaire du Royaume dia mandika an’io teny io toy izao: “Mihainoa tsara an’ireo izay mitondra [hêgouménon amin’ny teny grika] anareo.”—Hebreo 13:7, 17, 24.

Mazava ho azy àry fa tao amin’ny kongregasiona kristiana dia nisy olona sasany nitondra na nitarika an’ireo rahalahy, tamin’ny fitarihan-dalana azy sy fitondrana azy teo amin’ny fampiharana asa tsara dia tsara sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra.

Ny teny frantsay hoe “gouverner”, avy amin’ny matoanteny latina hoe gubernare dia avy amin’ny teny grika hoe kubernao izay ny heviny dia hoe “mitarika na mamily sambo, mitarika, mitondra”. (Century Dictionary and Cyclopedia, boky III, pejy faha-2584, 2585.) Noho izany, ny “mpitondra” iray dia mety hanana fifandraisana amin’ny fiasan’ny milina iray izay mifehy na mametra ny hafainganam-pandehany na ny heriny. Ny “kolejy foibe” iray izay mitondra na mitarika àry dia afaka manendry iraka izay mitondra, mitarika, manoro lalana sy mandahatra ny fandaminana iray.

Raha nivaofy ny teny grika nihavian’ny hoe “mitondra” ny Dictionnaire interprétatif des mots du Nouveau Testament (anglisy) nosoratan’i W. E. Vine (boky II, pejy faha-168) dia nanambara toy izao: “Kubernao, mitari-dalana (nihavian’ny hoe mitondra), dia milaza a) familiana [jereo Asan’ny apostoly 27:11]; b) ara-panoharana, fitondrana na mpitondra, mikasika ireo izay miasa amin’ny maha-mpitari-dalana ao amin’ny fiangonana iray eo an-toerana, I Korintiana 12:28.” Izao no vakintsika ao amin’io teny io: “Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-manasitrana, dia fitondrana [kubernêseis, amin’ny teny grika].”

Mba handikana ny teny hebreo hoe tahhbulah, izay ny dikany dia hoe ‘familiana’, ny Septante dia mampiasa an’io teny grika io, toy ny ao amin’ny Ohabolana 1:5 (Jé), manao hoe: “Ny olona mahay hahazo fahaizana mitarika [kubernésin, amin’ny teny grika].”

Tamin’ny taonjato voalohany ireo loholona na mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona samihafa dia tsy isalasalana mihitsy fa nampihatra ny ‘fahaizany mitondra’ tao amin’ny faritanin’io, ary nilaina izany mba hampilamina tsara ny asa sy noho ny fiadanana amam-piraisan-tsain’ny andian’ondrin’Andriamanitra. Ny adidin’ny mpiandry ondry iray lehibe indrindra dia ny mitarika.—Jereo Asan’ny apostoly 20:17, 28; I Timoty 3:4, 5; Titosy 1:9.

Izay marina tamin’ireo kongregasiona teo an-toerana dia miharihary fa nilaina ho amin’ny fitarihana ny asa kristiana amin’ny ankapobeny. Tamin’izany ireo apostoly mbamin’ny loholona hafa dia nahaforona tany Jerosalema, kolejy nitarika sy nanoro hevitra ny kongregasiona rehetra.

Na dia napetraka eo amin’ny faran’ny lisitry ny ‘fanomezam-pahasoavana sy ny fanompoana samy hafa’omen’Andriamanitra (I Korintiana 12: 4, 5, 28), aza ireny ‘fahaizana mitondra’ ireny, dia tsy hoe tsy dia manao ahoana akory, raha tsy izany dia tsy ho nomena ireo apostoly sy ireo loholona mahaforona ny kolejy foibe izy ireny. Ny amin’ny hoe niasan’ireny olona ireny tamin’ny naha-kolejy dia miharihary rehefa heverina ny fomba nandaminany ny zava-manahirana ny amin’ny fizarana sakafo, tamin’ny fanendrena olona mahay mba hikarakara izany; ny fomba nanirahany an’i Petera sy Jaona tany Samaria mba hanampy ireo mpianatra vaovao tany; ny fomba nanirahany, tamin’ny naha-kolejy niaraka tamin’ny loholona hafa, “lehilahy samy tsara laza” efatra, anisan’izany ny apostoly Paoly, mba hampita tany Antiokia ny fanapahan-keviny mikasika ireo Jentilisa niova hanaraka ny kristianisma; farany, ny fomba nanoroany hevitra an’i Paoly ny amin’ny fihetsika tokony harahina eo amin’ny Jiosy tany Jerosalema.—Asan’ny apostoly 6:1-6; 8:14; 15:1, 2, 22-32; 21:17-26.

Jesosy Kristy nomem-boninahitra no Mpitondra any an-danitra ny kongregasionany voaforon’ireo Isiraelita ara-panahy eto an-tany. Aminy no mihatra ireto teny manaraka ireto, notsoahina avy ao amin’ny Mika 5:1: “Fa hianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, dia avy ao aminao no hivoahan’izay anankiray ho Mpanapaka [hêgouménos, amin’ny teny grika] ho Ahy ao amin’ny Isiraely.” (Matio 2:6). Amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ny kolejy foibe hita maso voaforon’ny loholona izay “mitondra” na “mitarika” (hêgouménon, amin’ny teny grika) araka ny Tenin’Andriamanitra voasoratra, no itarihan’i Jesosy Kristy amin’izao andro izao ny fitambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana ny tany.—Hebreo 13:17, Crampon 1905; Traduction du monde nouveau.

Hitantsika àry fa ny fitenenana hoe “kolejy foibe” dia mety sy mifanaraka amin’ny Soratra masina, mba hanondroana ny kolejin’ny loholona anankinana amin’izao andro izao ny fanaraha-maso ara-panahy ireo Vavolombelona kristian’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara