Ny fitiavana amim-pahatsorana no amantarana an’ireo mpianatr’i Kristy
NAMBARAN’I Jesosy Kristy fa ho azo atao ny hamantatra ny mpianany amin’ny fifankatiavan’izy ireo (Jaona 13:35). Tokony hampoizintsika ho izany koa no ho hita amin’izao andro izao. Araka izay azony nomarihina, dia mitombo ny olona niaiky fa maneho izany fifankatiavana izany tokoa ny vavolombelona kristian’i Jehovah.
Ny sasany mitolagaga nahita ny fiovana nataon’olona niara-nianatra vao haingana tamin’ny vavolombelon’i Jehovah, teo amin’ny fisainany sy ny fitondrantenany. Nitantara izao manaraka izao ny lehilahy iray nanala sazy tany an-tranomaizina tamin’ny 1970, tany Californie: “Teo am-piandohan’ny fitanana ahy tao amin’ny toby, dia nanomboka nifangaro tamin’ny antokon’olona Mainty hoditra amerikana aho. Nanohitra ny Fotsy hoditra sy ny fivavahana aho. Nefa tao an-toby aho dia nanana anjara tsara fa tafahaona tamin’ny lehilahy roa izay niezaka hampifanaraka ny fiainany tamin’ny sitrapon’Andriamanitra.
“Ireo lehilahy roa ireo, Fotsy hoditra sy Mainty hoditra, dia nanaiky hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny vavolombelon’i Jehovah iray? Nandinika azy ireo tamim-pitandremana tokoa aho satria niara-niasa sy niara-nisakafo izahay, ary iray efitrano fandriana. Noho izaho nanohitra ny fivavahana, dia matetika aho no naneso azy ireo. Indraindray dia niresaka ny amin’Andriamanitra tamin’izy ireo aho ary dia niresaka ny amin’i Jehovah tamiko izy ireo. Mafy orina ny finoan’izy ireo. Tsy maintsy toy izany ny finoany satria saika naneso azy daholo ny olona rehetra ary nilaza lainga ny aminy. Nefa nanohy nifaneho fitiavana sy hatsaram-po izy ireo ary naneho izany koa tamin’ireo mpanaratsy azy.’’
Nisy heriny lalina teo amin’io lehilahy io ny fitondrantenan’izy ireo ka nanosika azy hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny vavolombelon’i Jehovah taorian’ny nanafahana azy. Amin’izao fotoana izao izy io dia mba miezaka koa hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Nahita zavatra toy izany koa ny zazalahy iray tany Philippines. Tonga vavolombelon’i Jehovah ny reniny, nefa kosa ny tenany tsy naneho fankafizana manokana mihitsy ny Baiboly. Izao no notantarainy: “Nentin’ny reniko tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho, na dia tsy tena nanintona ny saiko aza ny fahamarinana. Tany aho dia nadinika ny fihetsik’ireo tanora vavolombelona. Tsara fanahy sy nampiseho fitiavana izy ireo. Tsy nisy fihatsarambelatsihy mihitsy tao aminy. Niezaka hiaina amin’ny maha-kristiana marina izy ireo. Nanomboka nifanerasera taminy aho, ka izany dia nitarika ahy hanao fiovana lehibe. Nisaraka tamin’ny antokon’ny mpandrava zavatra noforoniko aho ary nitsahatra tsy nifoka intsony. Tsy ela dia tsy nilain’ny reniko intsony ny nangataka ahy mba hiaraka aminy tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nankany araka ny nahim-poko aho.”
Mikasika izay nitranga taty aoriana, dia izao no nolazainy taminay: “Hitako fa nisy heviny kokoa ny fiainana. Misy antony maro tokony hahavelomana ho an’ny ankehitriny sy ho an’ny ho avy. Taloha ny fiainako dia feno fahadisoam-panantenana. Nosimbako tanteraka izy.”
Raha mbola tsy tany amin’ny Efitrano Fanjakana mihitsy ianao, nahoana no tsy heverina ho toy ny fanasana anao ho tonga any izany voalaza eo aloha? Aoka ny tenanao ihany no hahita raha miharihary eo amin’ny vavolombelon’i Jehovah ny fitiavana amim-pahatsorana.