“Nifarana ny izao tontolo izaon’izy ireo”
Noho ny antony araka ny Baiboly, dia miaiky ny Vavolombelon’i Jehovah fa miaina amin’ny “andro farany” isika nanomboka tamin’ny 1914, taona nanan-tantara tokoa (I2 Timoty 3:1-5; Matio 24:3-14)a Etsy andaniny koa, dia mpanoratra tantara sy olona maro izay mamakafaka ireo zava-niseho no nanambara koa fa ny taona 1914 dia nanamarika fiolahana teo amin’ny tantaran’olombelona. Araka izany, tao amin’ny lahatsoratra iray momba “ny Ady Lehibe”, Joe Chapman, mpanoratra gazety ao amin’ny Spectator any Hamilton, any Kanada, dia nanoratra izao manaraka izao:
“Bado aoka izany izy, misaotra an’Andriamanitra, tsy nahalala na inona na inona, ny izao tontolo izao, tamin’ny aogositra 1914!
“Ary anefa, amin’ny lafiny maro, dia tena mendrika ny nilazana ny toetrany hoe Ady ‘Lehibe’ ny Ady Lehibe Voalohany, na dia noho ny horohoro avy aminy fotsiny aza.
“Io no ady voalohany azo nomena ara-drariny ny anarana hoe ady maneran-tany, satria saika ny fitambaran’ireo firenena lehibe rehetra dia nandray anjara tamin’izany ary nisy fanafihana natao tany amin’ny vava ady maro, hatrany amin’ireo efitra mamanalan’i Arktika ka hatrany amin’ny kirihitrala manempotra.
“Io no ady voalohany ‘nataon’ny ankapoben’olona’ nilatsahan’ny firenena mafy ka ny fitambaram-piasan’ny fiainana sivily manontolo dia voatana tamin’ny fiezahana hiady.
“Io koa no ady voalohany nandraisan’ny teknolojia anjara lehibe aoka izany. Tsy nisy mihitsy ady hafa nahita ny fisehoan’ny fitaovam-piadiana be dia be sy ny fomba ara-teknika vaovao be dia be toy ny tamin’io, nampiasaina tamin’ny ambaratonga lehibe aoka izany: ny ‘mitrailleuse’, ny kalesy fanafihana, ny fiaramanidina, ny sambo mpisitrika an-dranomasina, ny gaza misy poizina, ny fitaterana misy maotera, ny telefaonina mbamin’ny zavatra noforonina hafa koa, ary ny fampiasana tafondro sy izay rehetra momba azy tamin’ny ankapobeny. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia io no voalohany tamin’ireo adintsika ary fomba.”
Nasain’i Chapman nomarihina koa fa “ilay ady dia tsy nanamarika fotsiny fiolahana teo amin’ny lafiny ara-tafika sy ara-teknolojia. Izy io koa dia revaolisiona ara-tsosialy sy ara-panolokoloan-tsaina, ary vaky nitresaka ny fomba fiaina taloha”.
“Na dia ny Ady Lehibe Faharoa aza, izay nomen’ny nazia halehibe vaovao raha ny amin’ny habibiana, sy ny famonoana amin’ny baomba ataomika dia tsy nisy vokany teo amintsika toy ny Ady Lehibe Voalohany.
“Tsy fantatra loatra ny antony fa nanaza-tena tamin’ny hevitra ny amin’ny ady niraisam-pirenena isika ka voafatotry ny Tantara, hany ka tsy nitovy tamintsika ny vokatr’i Hiroshima na Dresde sy ny fandringanana lehibe nahatsiravina tamin’ny Vava ady tandrefana.
“Izany angamba no toa tena nampiavaka an’ireo miaramila menavazana tamin’ny ady voalohany; tsy mora lavitra ny nizàrany tamin’ny izao tontolo izao vaovao noho ny an’ireo tamin’ny 1945. Tsy nisy na inona na inona teo amin’ny fiainany nanomana azy ireo ho amin’ny zavatra tena nisy mafy tany amin’ny toerana fiadiana, ary tsy nisy na inona na inona hatramin’izay, azo nampitahaina tamin’izay niainan’izy ireo.”
“Toa vazivazy izany rehetra izany, nefa tonga aloha loatra ny fifohazana; tsy ho hitany intsony mihitsy ny izao tontolo izao fantany taloha. Marina àry fa noho ny antony mihoatra ny iray, dia nifarana ny izao tontolo izaon’izy ireo, dimy amby enimpolo taona lasa izay. Fa raha ny amintsika, dia nila fotoana lava kokoa isika mba hanombohana hahazo ny heviny.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko faha-12 ka hatramin’ny faha-14 amin’ilay boky hoe “Que ton royaume vienne!”, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.