Mahasoa kokoa noho ny fankanesana any am-piangonana
Inona no mahasoa kokoa? Araka ny hevitry ny lehilahy iray monina any Italia, izany dia ny famakiana ny gazety “Ny Tilikambo Fiambenana”. Izao tokoa no nosoratany:
“Ny anankiray amin’ny namanareo dia nanao fanomezana ho ahy, famandrihana tamin’ny gazety “Ny Tilikambo Fiambenana”, ary novakiko ny nomerao rehetra raha vantany vao voaray.
“Tiako ny hisaotra anareo noho ireo lahatsoratra mahafinaritra tokoa ao amin’io revio io. Na dia lalina aza ireo foto-kevitra dia voazava tsara ary indrindra, ireo mpanoratra dia mifikitra hatrany amin’ny Baiboly.
“Teo aloha aho dia nianina tamin’ny fanaovana tsianjery vavaka tamin’ny Mpamorona ahy raha vantany vao nifoha. Izao anefa, ny maraina, dia namaky lahatsoratra iray amin’io gazety io aho ary misaintsaina ny fampianarany.
“Mpamboly kely aho ary miaina irery, nefa hatramin’ny nahalalako Vavolombelon’i Jehovah, dia sahala amin’ny manana namana be dia be aho. Rehefa tonga avy any Asti izy ireo mba hitsidika ahy, dia nihevitra ny tenako ho nahazo fitsidihan’ireo apostoly aho. Voatery miaiky aho fa be dia be lavitra ny nianarako ny amin’ny Baiboly tao anatin’ireo volana vitsivitsy lasa noho ny nankanesana tany am-piangonana nandritra ny dimampolo taona.”
Raha irinao ny hahafantatra tsara kokoa ireo fampianaran’ny Baiboly, dia matoky izahay fa hankamaminao “Ny Tilikambo Fiambenana”. Mba handraisana an’io gazety io mandritra ny herintaona, izany hoe nomerao efatra amby roapolo, dia avereno amin’ny anankiray amin’ny adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.
Azafady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” aho. Indro alefako ny vola 3300 FMG (fiaramanidina) (vidiny mety hiova).