Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Manomana ny lalana i Jaona
FITO AMBIN’NY FOLO taona no lasa hatramin’ny andro nametrahan’i Jesosy, roa ambin’ny folo taona, fanontaniana tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly. Eo amin’ny lohataonan’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana isika izao. Ny olona rehetra dia niresaka ny amin’i Jaona, zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy, izay nitory tany amin’ny faritr’i Jordana.
Tsy azo lavina fa lehilahy nanaitra ny saina i Jaona, na tamin’ny fisehoany ivelany na tamin’izay nolazainy. Nanana fitafiana volon-drameva izy, ary nanao fehinkibo hoditra tamin’ny valahany. Mba hivelomana dia nihinana valala sy tantely remby izy. Fa raha ny amin’ny hafatra nentiny, dia izao izany: “Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”
Nanaitra ny fahalianan’ireo mpihaino izany hafatra izany. Be dia be no nahatsapa fa nila ny hibebaka izy ireo, izany hoe tokony hiova fihetsika izy ireo ka hanary ny fomba fiainany taloha amin’ny fiheverana izany ho tsy faniry. Tamin’izany no nisian’ny olona nirohotra maro be nanatona an’i Jaona; avy any amin’ny faritany manontolo manamorona an’i Jordana izy ireny, ary avy any Jerosalema koa aza. Nanao batisa azy ireny i Jaona tamin’ny fandentehana azy tao amin’ny ranon’i Jordana. Fa nahoana?
Ny batisan’i Jaona dia manamarika na manamarina fa ireo izay mandray izany dia mibebaka amim-pahatsorana noho ny fahotana nataon’izy ireo tamin’ny fanoherana ny Lalàn’Andriamanitra. Noho izany antony izany, rehefa tonga tany Jordana ny Fariseo sy Sadoseo sasany dia nanameloka azy ireny tamin’izao teny izao i Jaona: ‘Ry taranaky ny menarana. Mamoaza voa mendrika ny fibebahana.’
Nanintona ny saina aoka izany Jaona, hany ka naniraka mpisorona sy Levita ho any aminy ny Fariseo. Nanontany azy toy izao ireo: “Iza ary hianao? mba hitondranay valiny ho any amin’izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?”
Nanazava toy izao i Jaona: “Izaho dia feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny làlan’i Jehovah, araka izay nolazain’Isaia mpaminany.” Nanomana ny lalana i Jaona tamin’ny fitarihana ny olona hanana toe-po vonona ny hanaiky ny Mesia izay ho tonga Mpanjaka. Izao no nambarany ny amin’izy io: “Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy mendrika hitondra ny kapany aza aho.”
Araka izany àry, ny hafatra nentin’i Jaona nilaza fa “akaiky ny fanjakan’ny lanitra” dia nampahafantatra ampahibemaso fa hanomboka tsy ho ela ny fanompoan’ilay Mpanjaka nofidin’i Jehovah, dia Jesosy Kristy. Jaona 1:6-8, 15-28; Matio 3:1-12; Lioka 3:1-18; Asan’ny apostoly 19:4.
◆ Karazan’olona nanao ahoana moa i Jaona?
◆ Nahoana no nanao batisa i Jaona?
◆ Nahoana i Jaona no afaka nilaza fa akaiky ny Fanjakana?
[Feno sary ny pejy 8]