‘Tian’ny ankizy izy io’
Fianakaviana an-tapitrisany maro no nankasitraka ny boky hoe Ny bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Ireo tantarany ara-Baiboly 116 dia nanome ho an’ny mpamaky azy fahitana amin’ny ankapobeny izay rehetra voarakitra ao amin’ny Baiboly. Teo am-piandohan’ity taona ity, ny olona iray monina any andrefan’i Aostralia dia nandefa ho anay izao taratasy izao izay manazava ny vokatr’io boky io teo amin’ny ankizy:
“Mpampianatra aho ary miezaka hanome ho an’ireo mpianatro faniriana hanokana ny asany rehetra atỳ am-pianarana ho an’Andriamanitra sy Jesosy, tahaka ny anaovan’ny tenako mihitsy ny asako ho azy ireo. Raisiko ho adidy ankehitriny ny mamaky ho an’ilay kilasy ny ‘Bokinareo misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly’, izay novidiko tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray tonga nitsidika ahy. Tian’ny ankizy io boky io, ireo tantarany, ary mbola mangataka amin’izany amiko foana izy ireo rehefa akomboko izy io.”
Mahafantatra ankizy maro hankasitraka koa Ny bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly ve ianao? Azonao atao ny hahazo anankiray amin’izany; ampy fotsiny ho anao amin’izany ny mamerina ho anay, rehefa avy nofenoina, ny tapakila famaliana eto ambany. Mitovy habe amin’ity gazety ity io boky 256 pejy io sady mirakitra sary fanazavana lehibe maherin’ny 125, miloko ny ankamaroany.
Aza fady mba ataovy tonga aty amiko tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana azy ilay boky mifono baoritra hoe Ny bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly, izay andefasako ny vola fandraisana anjara an-tsitrapo 1 500 FMG amin’ny adiresin’ny Fikambanan’ny mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, Antananarivo 101.