FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/4 p. 6
  • Fahalehibeazana sy fankasitrahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahalehibeazana sy fankasitrahana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Manampy ny Be Taona ny Fianakaviana Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • “Misaora Amin’ny Zava-drehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Adidin’ny Kristianina ny Mikarakara ny Zokiolona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Aoka isika hiahy ny amin’izay hahasoa ny olona be taona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/4 p. 6

Fahalehibeazana sy fankasitrahana

Taorian’ny namakiana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 septambra 1987, ny lahatsoratra mifampitohitohy mitondra ny lohateny hoe: “Ireo olona be taona: iza no tokony hikarakara azy ireny?” ny vehivavy japone 79 taona iray, dia nanoratra izao taratasy izao taminay:

Ho an’ireo anadahy izay manana ny fitiavako manontolo,

Ireo lahatsoratra tamin’ny 1 septambra 1987 momba ireo olona be taona dia mampiseho fahatakarana ny mahazo ny hafa sy hatsarana fatratra. Rehefa nianatra ny anankiray tamin’izany aho ka tonga teo amin’ny fehintsoratra faha-11, dia voatery natsahatro izany mba hakana mosoara: tsy haiko notazonina ny ranomasoko. Tsy tanako ny fankasitrahako lalina. Fitiavana sy hatsaram-po re izany! Tsy haiko ny tsy hidera an’i Jah, toy ny ao amin’ny Salamo faha-150. Ambarako aminareo amim-panetren-tena koa ny fankasitrahako rehetra noho ireny lahatsoratra, feno fiheverana ireny, izay ampianaranareo ny fanehoana hatsaram-po amin’ireo olona be taona hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra. Marina fa ny foto-kevitra tsara hafa rehetra izay avoakanareo tsy tapaka dia maha-velom-pankasitrahana ahy daholo ka tsy haiko lazaina tanteraka amin’ny teny. Mbola misaotra ihany.

Ao amin’ny kongregasiona dia feno fiheverana sy malemy fanahy ny rehetra, ka mahafinaritra loatra izany. Raisina amin’ny fiara aho rehefa hitory sady entina miverina, ary noho ny fanohanan’ny rehetra dia mpitory maharitra mpanampy aho. Velom-pankasitrahana fatratra aho, isan’andro lasa, eo ambany fiarovan’ny fandaminana iray tena tsara toy izany.

Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, izay ahitana olona be taona mihabetsaka nefa tsy tiana, dia tsy misy zava-tsarobidy kokoa noho ny fitahian’Andriamanitra be fitiavana. Mivavaka aho mba ho afaka hanampy olona faran’izay betsaka hahafantatra ny fahamarinana mba hifaliany miaraka amintsika.

Midera an’i Jehovah aho ary misaotra anareo, ranadahy malala. Mamelà ahy noho ny soratro ratsy dia ratsy izay mahamenatra ahy. Enga anie i Jehovah hitahy sy hanome fahasalamana tsara ho anareo!

Avy amin’ny vehivavy be taona iray tsinontsinona,

[sonia:] Nogami.

Tsy azo lavina fa ny tena fitiavana kristiana dia tsy mahalala sisin-tany na fetran’ny taona. Ny Vavolombelon’i Jehovah, tanora sy antitra, dia miseho ho mpianatra amin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ity fanambaran’i Jesosy ity: “Izao no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara