Mitohy ny fanenjehana any Burundi
TEO am-piandohan’ny 1989 no nandefasan’ireo mpitondra ao Burundi, firenena ao Afrika afovoany, onjam-panenjehana tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Araka ny voalaza tao amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana nivoaka tamin’ny 15 novambra 1989, dia nanandrana nanery ny Vavolombelona hiala amin’ny finoany ireo manam-pahefana tamin’ny famelezana matetika sy fisamborana, fikapohana ary fomba henjana hafa. Nanao ahoana anefa ny toe-javatra hatramin’izay?
Nilaza ny tatitra hafa iray avy tany Burundi fa, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny distrika tao Kinyinya sy tao Gitega, dia nanandrana nisambotra ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona teo am-pivoriana ny manam-pahefana. Afaka nandositra ny mpiandraikitra ny distrika sy ny fizaran-tany, nefa anisan’ireo voasambotra ny mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa anankiroa sy zazavavy iray mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Nokapohina avokoa izy rehetra. Ny andro nanaraka, dia niseho teo anatrehan’ny governora ireo Vavolombelona voasambotra, ary nanazava ny antony tsy hahafahany ho tonga anisan’ny antoko politika. Nokapohina indray izy ireo. Misy tatitra hafa milaza zavatra mitovy amin’izany.
Nanoratra toy izao ny loholona kristiana mendri-pitokiana iray ao Burundi: “Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah nosamborina noho ny halatra, na noho ny vonoana olona, na noho ny fanonganam-panjakana. Raha manana antony marina hanafaizana ny Vavolombelona ny manam-pahefana, dia aoka izy hanao izany eny amin’ny fitsarana fa tsy hampijaly olom-pirenena tia filaminana amin’ny fakana ny fananany sy amin’ny fandroahana azy toy ny biby dia. Rahalahy maro avy eo an-toerana no voatery nandao ny tranony ka miaina toy ny mpitsoa-ponenana. Ny anabavy iray izay tany am-ponja ny vadiny, dia nizaha manam-pahefana maro mba hiezahana hanafaka ny vadiny. Tsy nety nanampy azy izy rehetra fa namaly toy izao: ‘Tsy afaka mamoaka ny vadinao na oviana na oviana izahay raha mbola mandray vola avy any ivelany ianareo hanakorontanana ny tanintsika.’ Fanendrikendrehana re izany!”
Na dia izany aza, dia misy vaovao tsara ihany avy any Burundi. Tsy menamaso na matahotra akory ny Vavolombelona any. Amim-pitandremana, nefa amin’ny fomba azo antoka, dia miitatra ny fitoriana ny vaovao tsara, ary tsapan’ireo rahalahy sy anabavy fa, amin’ny fananana fitokiana tanteraka an’i Jehovah, dia afaka miaritra izy ireo. Taratasy maro mampiseho tsy fankasitrahana noho ny herisetra mihoa-pampana no efa nalefa any Burundi, ary tsy isalasalana fa maro lavitra noho izany no hanaraka rehefa tsapan’izao tontolo izao fa manohy ny fanenjehany tsy mifaditrovana ny Vavolombelon’i Jehovah i Burundi.
[Efajoro, pejy 27]
Izao no adiresin’ny prezidàn’i Burundi:
Son Excellence Major Pierre Buyoya
Président de la Republique de Burundi
Bujumbura
REPUBLIQUE DE BURUNDI