“Ny olona rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana”
AFAKA NY mahazo toky ve ianao fa ho velona indray ny ankamaroan’ireo maty? Eny, satria nilaza toy izao i Jesosy: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fasam-pahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy.” (Jaona 5:28, 29). Mariho ilay teny hoe “fasam-pahatsiarovana”, izay tsy hita raha tsy ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao. Mampahatsiahy antsika ny maha-zava-dehibe ny fahatsiarovan’Andriamanitra raha ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty izany.
Nahoana no tsy nampiasaina ilay teny mahazatra hoe “fasana” eto? Satria i Jesosy eto dia tsy nampiasa ilay teny grika, amin’ny endriny milaza maro, hoe taphos, izay midika hoe “fasana” na “toeram-pandevenana”. Marina tokoa fa tsy milevina ao amin’ny fasana ara-bakiteny, na taphoï, akory ireo olona maty rehetra. Kanefa, ireo izay haverin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty dia ao amin’ny fahatsiarovany. Izany dia asehon’ny fampiasan’i Jesosy ny teny hoe mnêméïon, amin’ny endriny milaza maro, izay mifandray akaiky amin’ireo teny grika midika amin’ny fotony hoe “mahatsiaro”. (Matio 16:9; Marka 8:18.) Ny Rakibolana grika sy anglisy nataon’i H. G. Liddell sy R. Scott dia mandika ny teny hoe mnêméïon amin’ny teny hoe “fahatsiarovana, fitadidiana, fahatsiahivana olona na zavatra iray, (...) fasana, (...) saika mandrakariva, tsangambato.”
Noho izany, no anavahan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ny teny hoe taphos amin’ny teny hoe mnêméïon. Mendrika ny homarihina koa fa fandikan-tenin’ny Baiboly maro no mampiasa toy izany koa teny roa samy hafa ao amin’ny Matio 23:29, izay ahitana ireo teny grika roa ireo. Ny Fandikan-teny katolika dia mandika io andinin-teny io toy izao: “Manamboatra ny fasan’ny [endrika iray amin’ny teny hoe taphos] mpaminany hianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny [endrika iray amin’ny teny hoe mnêméïon] olo-marina.”
Tsy hadinon’ny Mpamorona ny olombelona ny fomba fiainana narahin’ireo olona an’arivo tapitrisany maro niaina hatramin’izay. (Salamo 139:16; 147:4; Matio 10:30). Amin’ny fotoana voatendriny, dia hotsarovany ireo olona ao amin’ny “fasam-pahatsiarovana” ka haveriny indray ho amin’ny fiainana eo amin’ny tany voadio. Fampaherezana sy fampiononana toy inona moa no tsapantsika amin’ny fahafantarana fa tsy ho simba mihitsy ny fitadidiana tanterak’Andriamanitra! — Apokalypsy 20:11-13.