Tanora manompo an’Andriamanitra
HEVERINAO fa hafahafa ve ny mahita tanora mahafinaritra manome amin’ny fotoanany, tsy mandray karama, mba hahatongavana ao am-baravaranao hiresaka ny amin’Andriamanitra? Toa manaitra ve raha toa, amin’ny vanim-potoan’ny fitomboan’ny tsy finoana, ka misy ankizy miaraka amin’ireo ray aman-dreniny amin’ny firesahana momba ny fampanantenana mahatalanjon’ny Baiboly hoavy hahasambatra?a
Any amin’ny ankamaroan’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah 60 000 mahery manerana ny tany, dia hahita tanora maro be ianao. Tsy mba mamonjy sekoly alahady na katesizy izy ireny. Ireny tanora ireny kosa dia mandray soa sy mandray anjara amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Afaka manome valinteny tsotra ireo mbola kely. Mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ireo lehibe kokoa. Maro amin’ireo zatovo no mandany ny fialan-tsasatry ny sekoly mba hanampiana ny mpiara-belona aminy hianatra ny amin’Andriamanitra sy ny fampanantenany mahatalanjona ho an’ny hoavy.
Tsy misy zava-baovao mihitsy raha ny amin’ny asan’ny tanora toy izany. Manisy firesahana ny amin’ny tanora lahy sy vavy mahatoky ny Baiboly, ary koa ny amin’ny zatovo sy ankizy kely, izay nanome ohatra niavaka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Nanambara mialoha ny amin’ny “andian-jatovo” maro sy mamelombelona toy ny “andon’ny maraina” eo amin’ny asan’Andriamanitra ny Salamo, boky ao amin’ny Baiboly. Niresaka ny amin’ny “zatovolahy” sy “virjina” midera ny anaran’Andriamanitra koa izy. (Salamo 110:3, MN; 148:12, 13, MN ) Angamba aza nisy tanora vitsivitsy anisan’ireo teo rehefa nalatsaka tamin’ny mpino ny fanahy masin’Andriamanitra tamin’ny Pentekosta taona 33 am. fan. ir. Tamin’izany andro izany, dia teo amin’ny 3000 no nandray tsara ny Teny ka natao batisa. Nilaza ny apostoly Petera fa fahatanterahan’ity faminanian’i Joela ity izany fisehoan-javatra nanaitra izany: “Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana, ary ny lahi-antitrareo hanonofy.” — Asan’ny Apostoly 2:4-8, 16, 17, 41.
Anisan’ireo ohatra ny amin’ny olona nanompo an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fahatanorany voalaza ao amin’ny Baiboly i Samoela, i Davida mpanjaka marina, ry Jeremia sy Daniela, mpaminany nalaza, ary koa i Timoty nahatoky. Ity gazety ity dia mirakitra lahatsoratra telo mamelabelatra sasantsasany amin’ireo ohatra omen’ny Baiboly ireo. Ho hitanao hoe nahoana ny tanora, ary koa ny olona be taona kokoa, no manao ny fanompoana an’i Jehovah ho zava-dehibe, ary nahoana izy ireny no mandany fotoana betsaka hanampiana ny mpiara-belona aminy hanao toy izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Ny fanadihadiana Gallup natao tamin’ny 1985, dia nahitana fa 12 isan-jaton’ny Amerikana teraka hatramin’ny 1946 monja no nilaza fa “vontom-pinoana” teo amin’ny faha-16 taonany.”