“Manampy amin’ny maha-mpitari-dalana amin’ny fiainana andavanandro”
Toy izany no niantsoan’ny vehivavy iray avy any Toronto, any Kanada, ireo zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. “Tiako ny famakiana azy ireny ary hitako fa mampahafanta-javatra aoka izany ny foto-kevitra, mampientam-po, ary ambonin’izany rehetra izany dia tena manampy mba hitari-dalana amin’ny fiainana andavanandro.”
Nanampy toy izao izy: “nahazo diplaoma teny amin’ny oniversite aho, kanefa dia voatery miaiky amim-pahamenarana fa betsaka kokoa no nianarako avy tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakanareo noho ny tamin’ireo taona rehetra nianarako. Nankamamiko manokana ilay bokinareo hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra. Tsy nisy mihitsy zavatra vita an-tsoratra hafa izay nitondra vokatra tsara toy izany teo amin’ny fiainako toy ny anareo—nanampy ahy betsaka tokoa izy ireny; ary noho izany dia misaotra anareo eram-po aho.”
Io boky voalaza eo ambony io hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra, dia manome fanoloran-kevitra voafaritra tsara izay manampy handamina ireo zava-manahirana sady hanao ny fanambadiana ho fahafinaretana araka ny nikasan’ny Mpamorona azy. Mba hahazoanao iray amin’io, dia fenoy ary alefaso ny tapakila eto ambany.
Maniry hahazo ilay boky mifono baoritra 192 pejy hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra aho. (Raha any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2.)