Tongava manatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Tia Fahafahana”!
ANDRO telo hahazoana soa amin’ny fampianarana avy ao amin’ny Baiboly no miandry anao. Tongava amin’ny 10 sy fahatelony ny zoma maraina hanombohan’ny fivoriambe amin’ny alalan’ny mozika. Aoka ianao ho eo amin’ilay lahateny fanokafana hoe “Nahoana no mandinika ny Lalàna tanteraky ny fahafahana?” sy ny famaranana ny fotoam-pivoriana maraina amin’ilay lahateny fototra hoe: “Ny zava-kendren’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ananantsika sy ny fampiasana azy.”
Ny zoma tolakandro, dia hisy torohevitra homena ny kristiana mba hanatanterahany ny asa nanendrena azy amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra. Ny hoe “Sahirana — Amin’ny asa maty sa amin’ny asan’i Jehovah?” sy ny hoe “Vahoaka afaka nefa tompon’andraikitra” dia lohahevitra roa hovelabelarina ao. Hisy fampirisihana ny amin’ny hampiasan’ny olona iray ny fahafahana hanompo an’i Jehovah homena ao amin’ny fampisehoana tantara iray miaraka amin’ny fomba fitafy mifanentana amin’izany. Hotsoahina avy amin’ny zavatra nitranga tamin’i Ezra sy ireo namany niverina avy tany Babylona ho any Jerosalema, tamin’ny 468 al.fan.ir., mba handravaka ny tempolin’Andriamanitra, izy io.
Ny fandaharana ny asabotsy maraina dia hanasongadina fitohitohizan-dahateny iray hoe “Ny fahafahana sy ny andraikitra ao amin’ny faritry ny fianakaviana”, misy fizarana telo. Manaraka ilay lahateny mampisaintsaina hoe “Ataovy hatrany izay hahafaka anao mba hanompoana an’i Jehovah” dia hisy lahateny momba ny fanoloran-tena sy ny batisa kristiana. Ny tolakandro dia maro be no hiandry amim-pahadodonana ilay tapany hoe “Moa ve ny fanambadiana no fanalahidin’ny fahasambarana?” Ny fotoam-pivoriana dia hifarana amin’ny hevi-dehibe iray izay tsy isalasalana fa hitondra fifaliana lehibe ho an’ireo tia fahafahana rehetra.
Hirinao ny ho tonga ny alahady maraina mba handre ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Aoka isika hanompo amin’ny maha-mpanarato olona”, misy fizarana telo. Hiresadresaka momba ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ny harato tarihina sy ny trondro izy io ary hanazava izay anjara asa azontsika atao amin’ny fanatanterahana azy. Ny fotoam-pivoriana ny maraina dia hifarana amin’ilay lahateny lehibe hoe “Aoka isika hifoha hatrany amin’ny ‘fotoan’ny farany’ ” sy ny hoe “Iza no ho afa-mandositra ny ‘Fotoam-pahoriana’?” Avy eo, ny tolakandro, dia hirinao ny tsy ho diso anjara amin’ilay lahateny ampahibemaso hoe: “Aoka isika handray amim-pifaliana ny tontolo vaovaon’ny fahafahan’Andriamanitra.” Alohan’ny lahateny famaranana mampientam-po iray, dia hisy resadresaka momba ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ho amin’iny herinandro iny. Ento ny gazetinao natao hianarana amin’io herinandro io.
Mandritra ny volana Septambra, dia hisy fivoriambe telo halamina eto Madagasikara. Antananarivo: 6 ka hatramin’ny 8 Septambra. Fianarantsoa sy Antsiranana: 20 ka hatramin’ny 22 Septambra. Manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana hamantaranao ny fotoana sy ny toerana hanaovana ilay iray akaiky indrindra ny misy anao.