“Ny tena fanaperana”
Izany no nolazain’ny mpampianatra Anglisy iray avy ao amin’ny sekoly iray any Georgia, any Etazonia, momba ny gazety Réveillez-vous! Nanoratra toy izao vao haingana izy:
“Nampiasa gazety Réveillez-vous! aho nandritra ireo fito taona lasa tamin’ny fomba fanaovana lahatsoratra foronina tao amin’ny sekoly iasako, ary sahiko ny milaza fa ny tena fanaperana ny mpanoratra ny gazetinareo. Ireo fampidiran-dresaka manaitra fahalianana sy ireo antsipiriany velombelona voarakitra ao anatin’ny maro be amin’ireo lahatsoratra dia ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpanoratra vao manomboka sy ireo antonontonony ary ireo efa misandratra.
“Tsy hoe mahavery dia sy ahafantarana vaovao fotsiny ireo lahatsoratra ao amin’ny Réveillez-vous! fa anisan’ny manana endrika ara-pitsipi-pitenenana ambony indrindra koa. Mampiasa azy ireny aho mba hanononana ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny mari-piatoana, tsilalaonteny, sarinteny, ary fomba fandaha-teny. Ny fahafahana atolotra ny mpamaky hahafantatra teny vaovao dia tena fahasamihafana manintona ary mamelombelona koa aza amin’ny an’ireo gazetiboky mahazatra. Ny fahombiazan’ny Réveillez-vous! dia manome porofon’ny fiezahana feno sy ny fitandremana natokana hanaovana ny nomerao tsirairay.”
Raha maniry hahazo Réveillez-vous! ianao dia fenoy, aza fady, ary alefaso paositra ilay tapakila eto ambany. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 mba hahazoana fanazavana.)
Iriko ny handefasana gazety Réveillez-vous! atỳ an-tokantranoko. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 11 000 FMG (famandrihana herintaona, “par avion”).