FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/3 p. 32
  • ‘Tsy Hita Foana Ilay Boky’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tsy Hita Foana Ilay Boky’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/3 p. 32

‘Tsy Hita Foana Ilay Boky’

Izany no lazain’ny mpampianatra any amin’ny lise iray any amin’ny faritra atsimon’i Kalifornia, any Etazonia, momba ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques. Nanokana fotoana famakian-teny ahafahan’ny mpianatra mamaky izay tiany hovakina ilay sekoly. Namoaka zavatra vita an-tsoratra io vehivavy io ho an’ireo mpianatra tsy nitondra zavatra hovakina, ka anisan’izany ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent.

“Nanjary ny nalaza indrindra tao amin’ilay kilasy ilay boky”, hoy ny fanazavany. “Misy fotoana tsy ahitana azy io mandritra ny ora maromaro na mandritra ny indray andro na roa andro mihitsy aza, ary avy eo dia miverina indray. Manontany ny namany ireo mpianatra hoe: ‘Efa namaky an’ilay izy ve ianao?’ na milaza ny heviny izy hoe: ‘Tena boky tsara ilay izy.’ Rehefa avy manamarika zavatra amin’ny namany izy ireo dia maka azy io indray ary mamaky misimisy kokoa.

“Voavadibadika ireo pejy aminy, ary manomboka ho tonta ilay boky. Ny toko be mpampiasa indrindra dia ny faha-23 hoe ‘Ahoana ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana?’ Tian’ny mpianatra ireo sary, ary mamantatra izany amin’ny alalan’ireo soratra manazava izany izy. Nahita mpianatra iray namaky ilay toko hoe ‘Nahoana i Dada sy i Neny no misaraka?’, aho.

“Rehefa afaka fotoana fohy dia tsy hita ilay boky voalohany, koa dia namoaka hafa iray indray aho. Avy eo dia niverina ilay voalohany, ka misy roa izao izy ireo. Telo na efa-bolana izay no lasa hatramin’ny namoahako ilay boky voalohany, ary mbola vakin’ny mpianatra izy ireo.”

Misy toko hafa anisan’ireo 39 ao amin’ilay boky, mitondra ny lohateny hoe “Ahoana no ahafahako mahazo tena sakaiza?” “Ahoana no maha-zava-dehibe ny fisehoana ivelany?” sy ny hoe “Ahoana no ahafantarako raha tena fitiavana ilay izy?” Raha maniry hahazo iray amin’io boky feno sary manintona io ianao, dia fenoy, aza fady, ary alefaso paositra ilay tapakila eto ambany.

Iriko ny hahazo iray amin’ilay boky 320 pejy mifono baoritra hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 1 200 FMG, amin’ny alalan’ny mandat-poste. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 mba hahazoana fanazavana.)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara