“Ny Vadin’ny Fahatanoranao”
“NY FANITSAKITSAHAM-BADY dia saika toa fisehoan-javatra fahita andavanandro.” Izany no lazain’ny manam-pahaizana maro, araka ny Los Angeles Times. Mahagaga anao ve ny fanambarana toy izany? Ilay mpitsabo aretin-tsaina atao hoe Frank Pittman anefa dia manombana fa eo amin’ny 50 isan-jaton’ny lehilahy manambady eo ho eo sy eo anelanelan’ny 30 isan-jato sy 40 isan-jaton’ny vehivavy manambady no efa namitaka ny vadiny. Raha marina izany, dia saika ny antsasaky ny olona manambady rehetra no manitsakitsa-bady!
Milaza ve izany fa tsy mampaninona mihitsy ny fahalotoam-pitondrantena? Tsy izany velively! Ny fielezan’ny famitaham-bady dia tsy mahatonga azy io ho tsara — tsy misy hafa amin’ny tsy mahatonga ho tsara ny fangalarana olona noho ny fitomboan’ny heloka bevava eny an-dalambe. Mandratra ny fahalotoam-pitondrantena. Ohatra, ny olombelona amin’izao andro izao dia ianjadian’ny fihanaky ny aretina mampidi-doza azo avy amin’ny firaisana, izay azo fehezina avokoa raha manaraka fiainana madio ara-pitondrantena ny olona. Tsy ho niorina mafy toy izao mihitsy ny SIDA, ilay aretina mpamono olona, raha toa ny olona ka tsy nanaraka fomba fiaina teo amin’ny lahy sy ny vavy nivaha toy izao.
Ankoatra izany, na dia ireo miseho ho mafy indrindra sy “nahazo fahazavana” indrindra aza dia mahatsapa alahelo lehibe aoka izany rehefa mamitaka azy ny vadiny. Ny famitahana indray mandeha monja dia mety hiteraka ratra izay mila antsasaky ny fiainan’ny olona vao ho sitrana.
Ny zava-dehibe indrindra anefa dia hoe tsy fanajana lehibe an’Andriamanitra ny tsy firaharahana ny voadim-panambadiana, satria izy no Mpamorona ny fanambadiana. Hoy ny Baiboly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana”. Ary ampitandremana toy izao koa isika: “Ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” — Hebreo 13:4.
Noho izany, ireo olona hendry dia manaraka ireto teny azo tamin’ny tsindrimandry ireto: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao.” (Ohabolana 5:18). Mitady fahafahampo sy fahasambarana amin’ny vadiny izy ireo. Amin’ny fanaovana izany, izy ireo dia mitandro ny fahasalamany ara-batana sy ara-pihetseham-po, ary ny zava-dehibe indrindra dia hoe manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona lehibe ny fanambadiana, izy ireo.