FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/10 p. 19
  • Batisa “Amin’ny Anaran’ny”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Batisa “Amin’ny Anaran’ny”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Hevitry ny Batisanao?
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • ‘Amin’ny Anaran’ny Fanahy Masina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Batisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nahoana Isika no Tokony Hatao Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/10 p. 19

Batisa “Amin’ny Anaran’ny”

NY FAMOTOPOTORANA momba ireo tahirin-kevitra papyrus tsy ara-pivavahana tranainy an’arivony maro izay hita tao amin’ny fasik’i Egypta tamin’ny fiandohan’ity taonjato ity, dia mazàna manome fanazavana mahaliana ny Soratra Grika Kristiana. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fandinihana ny fomba nampiasana ny teny sasany, dia voatarika ho amin’ny fahatakarana marina kokoa an’ireo teny ireo ihany hita ao amin’ny Soratra Masina isika.

Ohatra iray ny amin’izany nampiasan’i Jesosy ny hoe “amin’ny anaran’ny” rehefa nandidy ny mpianany toy izao izy talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. Inona no tian’i Jesosy holazaina? — Matio 28:19.

Nahita ireo manam-pahaizana fa ao amin’ireo soratra tsy ara-pivavahana, ny fitenenana hoe “amin’ny anaran’ny”, na “ho ao amin’ny anaran’ny” (Kingdom Interlinear), dia ampiasaina mifandray amin’ny fandoavam-bola “ho fananan’ny olona iray”. Nino ny Dr. G. Adolf Deissmann, profesora amin’ny teolojia, fa noho ny porofo avy amin’ireo papyrus, “ny hevitra fonosin’ny (...) fitenenana hoe manao batisa ao amin’ny anaran’ny Tompo, na mino ao amin’ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, dia hoe ny batisa na ny finoana no fananan’Andriamanitra sy ny Zanak’Andriamanitra.” — Soramandry nataon’i Deissmann.

Mahaliana fa misy fitenenana mitovy amin’izany nampiasain’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, araka ny voazava ao amin’ny Theological Dictionary of the New Testament: “Ny famorana proselyta iray dia atao (...) ‘amin’ny anaran’ilay proselyta’, mba handraisana azy ho ao amin’ny Jodaisma. Io famorana io dia atao (...) ‘amin’ny anaran’ny fanekena’, mba handraisana azy ho ao amin’ilay fanekena.” Niorina, tamin’izany, ny fifandraisana iray, ary tonga proselyta teo ambanin’ny fahefan’ilay fanekena ilay tsy Jiosy.

Koa ho an’ny Kristiana, ny batisa manaraka ny fanoloran-tena dia manorina fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra, amin’i Jesosy Kristy Zanany, ary amin’ny fanahy masina. Ilay niova dia manaiky ny fahefan’izy ireo tsirairay avy eo amin’ny fomba fiainany vaovao. Diniho ny maha-marina izany ho an’ny tsirairay amin’ireo telo voatonona ireo.

Amin’ny fanekentsika ny fahefan’Andriamanitra, dia manatona azy isika ary miditra ao anatin’ny fifandraisana aminy. (Hebreo 12:9 Jakoba 4:7, 8). Tonga fananan’Andriamanitra isika toy ny andevony, voavidy tamin’ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (1 Korintiana 3:23; 6:20). Nilaza tamin’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany koa ny apostoly Paoly fa an’i Jesosy Kristy izy ireo, fa tsy an’izay olona mety ho nitondra ny fahamarinana tamin’izy ireo. (1 Korintiana 1:12, 13; 7:23; ampitahao amin’ny Matio 16:24.) Ny Batisa amin’ny anaran’ny Zanaka dia toa milaza fanekena io zava-misy io, fanekena an’i Jesosy ho “làlana sy fahamarinana ary fiainana”. — Jaona 14:6

Tena ilaina eo amin’ny fifandraisantsika ara-dalàna amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy koa ny fanahy masina. Ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina dia mampiseho fa manaiky ny anjara asan’ny fanahy isika eo amin’ny fifampiraharahan’Andriamanitra amintsika. Tapa-kevitra ny hanaraka ny fitarihany isika, fa tsy hinia tsy hankatò azy io na hanao zavatra mifanohitra aminy, ka hanakana ny fiasany eo amintsika. (Efesiana 4:30; 1 Tesaloniana 5:19). Tsy miteraka fahasahiranana eo amin’ny fampiasana ilay teny na eo amin’ny hevi-teny akory ny tsy maha-persona ny fanahy masina, tsy misy hafa amin’ny fampiasana ny hoe “amin’ny anaran’ny fanekena” teo amin’ny Jodaisma.

Amin’ny fotoan’ny fanoloran-tena sy ny batisa àry, dia mila misaintsaina ao anatin’ny vavaka izay voafaoka amin’ilay fifandraisantsika vaovao isika. Izy io dia mitaky fanekena ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny nasehon’ny ohatr’i Jesosy Kristy sy ny avotra natolony. Ary io fanekena ny sitrapon’Andriamanitra io dia tanterahina amin’ny alalan’ny fanahy masina izay mitarika ny mpanompon’Andriamanitra rehetra amim-pitiavana sy firaisan-tsaina maneran-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara