“Tahaka ny Liona Mierona”
MINO ny fisian’i Satana ve ianao? Tsy mino izany ny maro amin’izao andro izao. Toa mihevitra izany finoana izany ho “tsy araka ny siansa” izy ireo. Na dia tamin’ny 1911 aza, ny Encyclopædia Britannica dia nilaza hoe: “Nanazava ny maro tamin’ireo fomba fiasan’ny maha-izy ivelany sy ny fiainana anatin’ny olombelona ny siansa hany ka tsy misy fitoerana ho an’ny fiasan’i Satana.” Manjohy hevitra ireo teolojiana fa famantarana, angano fotsiny i Satana. Milaza toy izao ny The World Book Encyclopedia: “Teolojiana maro amin’izao andro maoderina izao no mihevitra ny Devoly ho famantarana ny herin’ny ratsy, dia ireo toetra ratsy indrindra ao amin’ny maha-izy ny olombelona.”
Inona anefa, no zava-misy? Raha mino ny Baiboly ianao, dia tsy maintsy mino fa tena misy i Satana. Tsy vitan’ny hoe nino ny fisiany i Jesosy fa niantso azy mihitsy hoe “andrianan’izao tontolo izao”. (Jaona 14:30). Niantso an’i Satana ho “andriamanitr’izao tontolo izao” ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 4:4). Ary hoy i Jaona, apostoly be taona hoe: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. — 1 Jaona 5:19.
Raha tsy miray hevitra amin’i Jaona ianao, dia eritrereto ny tantara vao haingana. Hevero ireo andiana miaramila mpamono olona sy ny fampijalijaliana ampiasain’ny fanjakana. Tsarovy ireo ady sy famonoana fitambaran’olona hitan’ny taranaka misy antsika. Ary ahoana ny amin’ireo heloka bevava feno haratsiam-panahy voalaza ao amin’ny gazetintsika — ireo famonoana olona tambabe, ireo fisavihana, ireo famonoana mitohitohy, ny fanimbana ankizy eo amin’ny lahy sy ny vavy, raha ny sasany fotsiny aza no hotononina? Hisy olon-kafa ankoatra an’i Satana ve mety ho andriamanitr’ity tontolo ity?
Nampitandrina toy izao i Petera, apostoly kristiana: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. (1 Petera 5:8). Raha misy liona afa-patorana eo amin’ny faritra manodidina anao, moa ve ianao ho eo am-piadiana hevitra ny amin’ny hoe misy izy sa tsia? Sa hihazakazaka hitady fialofana ianao?
Aoka ianao hiaiky fa misy i Satana. Tsy mamindra fo sy ratsy fanahy izy, ary matanjaka kokoa noho isika. Koa mihazakazaha mitady fiarovana any amin’Ilay mbola matanjaka kokoa aza. “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” (Ohabolana 18:10). Mialofa ao amin’i Jehovah Andriamanitra, ary fantaro fa tsy ho ela ny olombelona dia hafahana amin’ny hery fitaoman’ilay ratsy, dia i Satana. Ho fanamaivanana mahafaly toy inona re izany! — Apokalypsy 20:1-3.