FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/3 p. 3
  • Mety Hisy Heviny ho Anao ve Io Sakafo Io?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety Hisy Heviny ho Anao ve Io Sakafo Io?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Manome Voninahitra An’Andriamanitra Isika, Rehefa Manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Fankalazana Mahasoa Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Sakafo Harivan’ny Tompo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fitandremana ny Teny Fanaovam-beloma Notononin’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/3 p. 3

Mety Hisy Heviny ho Anao ve Io Sakafo Io?

NAMENO ny tany tamin’ny hazavana malefaka ny volam-penomanana. Tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny fonenana iray tao Jerosalema fahiny, dia nisy lehilahy 12 tafangona nanodidina latabatra. Nihaino tsara ny 11 lahy raha teo am-pampidirana fankalazana iray faran’izay lehibe ny Mpampianatra azy ireo ka niteny zavatra nisy heviny lehibe. Hoy ny fitantarana iray:

“Nandray mofo Jesosy [Kristy], ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Ary lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka, itony intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko. Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva”. — Matio 26:26-30.

Nitranga izany taorian’ny filentehan’ny masoandro, ny andro faha-14 tamin’ny volana jiosy, Nisana, tamin’ny taona 33 amin’ny Fanisan-taona Iraisana. Vao avy nankalaza ny Paska ho fahatsiarovana ny fanafahana ny Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Egypta tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i. i Jesosy sy ny apostoliny. Nandroaka an’i Jodasy Isikariota izay nadiva hamadika azy i Kristy. Noho izany, dia i Jesosy sy ireo apostoliny nahatoky 11 ihany sisa no teo.

Tsy fitohizan’ilay Paska jiosy akory io sakafo hariva io. Zava-baovao izay nanjary nantsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo izy io. Mikasika io fankalazana io, dia nandidy toy izao ireo mpanara-dia azy i Jesosy: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”. (Lioka 22:19, 20, NW; 1 Korintiana 11:24-26). Nahoana no nilaza izany izy? Ary ahoana no ahafahan’io zava-nitranga efa taonjato maro lasa izay io hisy heviny ho anao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara