Tahaka ny Hazo Iray
“IREO poezia dia nataon’olona badobado tahaka ahy, fa Andriamanitra irery ihany no afaka manao hazo iray.” Tamin’ny fiderana fatratra ireo hatsarana maro ananan’ireo hazo, dia niaiky tamin’izany ilay poety atao hoe Joyce Kilmer fa Andriamanitra no namorona azy ireny.
I Jehovah Andriamanitra dia nanao ireo hazo amin’ny karazana be dia be sy hakanto marevaka ary misy ilana azy indrindra. Ireo hazo botry sy ireo hazo makadiry be dia samy mety ho kanto aoka izany, hany ka zava-tsarotra ny filazalazana ny amin’izy ireny. Ambonin’izany, ireo hazo dia manome sakafo sy zavatra fandrehitra ary fialofana. Ary manohy mikaroka fampiasana vaovao ny hazo ireo mpamoron-java-baovao.
Ao amin’ny Baiboly, ireo hazo dia ampiasaina an’ohatra indraindray mba hampisehoana ireo fanjakana sy mpanapaka ary olona. (Ezekiela 31:1-18; Daniela 4:7-23). Ireo hazo dia voatonona mifandray amin’ny toe-piainana falifaly sy mandry feizay ary mahavokatra noho ny fanapahan’i Jehovah sy ny fampodiana amin’ny laoniny ny vahoakany. (1 Tantara 16:33; Isaia 55:12; Ezekiela 34:27; 36:30). Ny Soratra Masina koa dia mampanantena fa ireo andron’ny olon’Andriamanitra dia ho tahaka ny an’ny hazo iray. (Isaia 65:22). Misy heviny lehibe izany rehefa heverintsika fa ireo hazo sasany dia velona hatramin’ny taonjato maro.
Nilaza ny mpanao salamo iray ao amin’ny Baiboly fa ny olona izay mahita fahafinaretana amin’ny lalàn’Andriamanitra ‘dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa’. Ny hazo mirobona iray nambolena teo akaikin’ny loharano mikoriana be iray dia nampahatsiaro an’ilay mpanao salamo ny amin’ny firoboroboana ara-panahy nifalian’ireo izay ‘fahafinaretana ho azy ny lalàn’i Jehovah’ (NW ). (Salamo 1:1-3). Raha mahita fahafinaretana amim-pahatsorana amin’ny lalàn’Andriamanitra sy ny Teniny Masina ianao, dia mety ho tonga tahaka ny an’ny hazo iray ny androm-piainanao. Raha ny marina, amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fahalalana marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, dia afaka mihazona ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ianao. — Jaona 17:3.