FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/2 p. 3
  • Iza no Mino ny Fisian’ireo Fanahy Ratsy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Mino ny Fisian’ireo Fanahy Ratsy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Tohero Ireo Hery Ara-panahy Ratsy
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Avelao Hanampy Anao Hanohitra ny Fanahy Ratsy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Iza moa Ireo Demonia?
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/2 p. 3

Iza no Mino ny Fisian’ireo Fanahy Ratsy?

MINO ve ianao fa afaka manan-kery eo amin’ny fiainanao ny fanahy tsy hita maso? Olona maro no hamaly hoe tsia amin’ny fomba hentitra. Na dia manaiky ny fisian’Andriamanitra aza izy ireo, dia mihomehy amim-panarabiana an’ilay hevitra momba ny mpanao ratsy mahery noho ny olombelona.

Amin’ny ampahany, ny fielezan’ny tsy finoana ny fisian’ireo fanahy, any amin’ny tontolo tandrefana, dia avy amin’ny fitaoman’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nandritra ny taonjato maro izy io dia nampianatra fa ny tany no ivon’izao rehetra izao, eo anelanelan’ny lanitra sy ny afobe mirehitra iray any ambanin’ny tany. Araka io fampianarana io, ireo anjely dia nanana fahasambarana tanteraka tany an-danitra, fa ireo demonia kosa dia nikarakara ireo raharahan’ny afobe.

Koa satria ireo zavatra vao hitan’ny siansa dia nahatonga ny olona hanary ireo hevi-diso mikasika ny firafitr’izao rehetra izao, dia nanjary tsy araka ny toetr’andro ny finoana ny fisian’ireo zavaboary ara-panahy. Izao no lazain’ny The New Encyclopædia Britannica: “Toa tsy mifanentana intsony ilay fiheverana ny amin’ny anjely sy ny demonia, taorian’ny revaolisiona copernicienne (niorina tamin’ny tsangan-kevitr’ilay astronoma polone atao hoe Copernic) tamin’ny taonjato faha-16, izay nilaza fa (...) ny Tany dia tsy noheverina intsony ho ny ivon’izao tontolo izao, fa ho planeta iray fotsiny kosa ao amin’ny fandahara-masoandro iray izay tapany kely dia kely amin’ny vahindanitra iray ao anatin’izao rehetra izao izay toa tsy manam-petra.”

Na dia misy aza olona maro tsy mino ny fisian’ireo fanahy ratsy, dia misy an-tapitrisany maro kosa mino izany. Manana anjara lehibe ao amin’ny fivavahana maro tamin’ny lasa sy ankehitriny ireo anjely lavo. Ankoatra ny anjara asany amin’ny maha-mpanimba ny fiainana ara-panahy, ireo anjely ratsy ireo dia heverina ho mpitondra loza, toy ny ady sy ny mosary ary ny horohoron-tany, ary koa ho mpampiroborobo ny aretina sy ny fikorontanana ara-tsaina ary ny fahafatesana.

I Satana Devoly, ilay fanahy ratsy lehibe indrindra ao amin’ny Kristianisma sy ny Jodaisma, dia antsoin’ny Miozilimanina hoe Iblis. Niseho ho Angra Mainyu izy io tao amin’ny Zoroastrisma, fivavahana persiana fahiny. Tao amin’ny fivavahana gnostika izay niroborobo tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo am.f.i., ny Devoly dia noheverina ho ny Démiurge, fitenenana nomena ny andriamanitra iray be fialonana sy ambany izay nanoloran’ny ankamaroan’ny olombelona fanompoam-pivavahana noho ny tsy fahalalana.

Ireo fanahy ratsy lefitra dia manana anjara asa lehibe ao amin’ireo fivavahana tatsinanana. Mino ny Hindoa fa ireo asuras (demonia) dia manohitra ireo devas (andriamanitra). Atahorana indrindra eo amin’ireo asuras ny rakshasas izay fisiana ratsy tarehy mihelohelo eny amin’ny fasana.

Ny Bodista dia mihevitra ny demonia ho hery manana ny maha-izy azy izay manakana ny olona tsy hahazo ny Nirvana, dia ny famonoana tanteraka ny faniriana. I Mara no lehiben’ny mpaka fanahy amin’izy ireo, miaraka amin’ny zanany vavy telo, dia i Rati (Faniriana) sy i Raga (Fahafinaretana) ary i Tanha (Tsy Fitsaharana).

Ireo mpivavaka sinoa dia mampiasa afon-dasy sy fanilo ary tsipoapoaka mba hiarovana amin’ny kuei, na demonia eny amin’ny natiora. Mino koa ireo fivavahana japoney fa misy demonia maro, anisan’izany ny tengu mampahatahotra, dia ireo fanahy izay mipetraka amin’olona mandra-pamoakan’ny mpisorona iray azy.

Eo amin’ireo fivavahana tsy mahay taratasy any Azia, Afrika sy Oseania ary ireo tanin’i Amerika, ireo zavaboary ara-panahy dia inoana ho mahasoa na manimba, arakaraka ny tarehin-javatra sy ny toe-po manjaka eo amin’izy ireo. Manaja fatratra ireny fanahy ireny ny olona mba hisakanana loza sy mba hahazoana sitraka.

Ampio an’izany rehetra izany ny fahalianana miely patrana amin’ny majika sy ny spiritisma, ary mazava fa ny finoana ny fisian’ireo fanahy ratsy dia manan-tantara lava be sy miely hatraiza hatraiza. Mety ve anefa ny hinoana fa misy ny zavaboary toy izany? Milaza ny Baiboly fa misy izy ireo. Raha tena misy anefa izy ireo, nahoana Andriamanitra no mamela azy hanan-kery eo amin’ny olombelona ka hitondra fahavoazana ho azy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara