“Mihoatra Noho ny Tanàna Mimanda Iray”
“ARAKA ny fanombanana natao vao haingana, dia 40% eo ho eo amin’ireo ankizy amerikanina no hahita ny faharavan’ny fanambadian’ireo ray aman-dreniny alohan’ny hahatratrarany ny faha-18 taonany.” (Science, 7 Jona 1991). Antontan’isa mampahatahotra re izany! Inona no mahatonga an’izany?
Nilaza ny heviny tamin’ny fanadinadinana nataon’ny The Boston Globe i Edward M. Ginsburg, mpitsara mikarakara ny raharaham-pianakaviana sy ny didim-pananana. Hoy izy: “Tia tena ny fitambaran’olona misy antsika. Maniry mafy ny ho ‘ahy’ isika. Manontany isika hoe: ‘Inona no ho azoko avy amin’izany izao?’ Maniry mafy hahazo valiny eo no ho eo isika.”
Izany fitiavan-tena mampiseho tsy fahamatorana izany dia mitarika ho amin’ny lonilony sy ny fifandonana ao anatin’ny fanambadiana. Nilaza i Ginsburg Mpitsara fa rehefa tonga eo amin’ny fitsarana manapaka ny amin’ny fisaraham-panambadiana ireo mpivady amin’ny farany, dia mitady hanamarin-tena ilay lehilahy sy ny vadiny. Tiany ny hilazan’ny olona aminy fa manana ny rariny izy ary diso ilay vadiny. Tiany ny hilazan’ny olona hoe: “Nandresy ianao.”
Ny teniny dia mampahatsiaro antsika ilay ohabolana azo tamin’ny tsindrimandry manao hoe: “Ny rahalahy iray izay nasian-dratsy dia mihoatra noho ny tanàna mimanda iray.” (Ohabolana 18:19, NW ). Eny, rehefa mipoaka ny fifandirana ao anatin’ny fanambadiana, dia mety ho tsy azo andaharana sy henjana ny andaniny sy ny ankilany miady. Matetika dia mikiribiby mandà ny hilefitra izy ireo, tahaka ny “tanàna mimanda iray” atao fahirano.
Moa ve tsy maintsy ho toy izany ny fisehoan-javatra? Tsia, fa misy ny safidy hafa. Matanjaka sy maharitra ny fanambadiana rehefa mitandrina dieny eo amim-piandohana ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto ny andaniny sy ny ankilany: “Ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” (Efesiana 4:32). Mora ve ny mamboly toetra toy izany? Mazàna dia tsia. Kanefa mora ve ny fisaraham-panambadiana? Manao ahoana moa ny fanaintainana entin’ny enta-mavesatra ara-pihetseham-po sy ara-bola ateraky ny fanambadiana rava iray? Ary ahoana ny amin’ireo ankizy izay matetika no mitondra hatramin’ny maha-olon-dehibe azy ireny ny ratra ara-pihetseham-po maharitra avy amin’ny fisaraham-panambadian’ny ray aman-dreniny?
Tsara lavitra ho an’ireo mpivady ny miezaka mba hampaharitra ny fanambadiany sy ny tsy hifampiziriziriny, tahaka ny “tanàna mimanda iray”. Mihatra manokana amin’ireo mpivady ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Kristiana manao hoe: “Mitafia fitiavana, satria fatorana mampiray tanteraka izany.” — Kolosiana 3:14, NW.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck