Ho any An-danitra sa ho any Amin’ny Afobe?
“MANAO ahoana ny mety ho fahafahanao ho any an-danitra na ho any amin’ny afobe?”
Raha ny marina, izany dia nanontaniana tamin’ny vondron’olona amerikanina tamin’ny fanadihadiana vao haingana iray. Ny Foiben’ny Fikarohana Momba ny Fivavahana any Princeton dia namoaka ny vokatra azo tao amin’ny Religion in America 1992-1993.
Ahoana no nety ho valin-teninao? Manao ahoana ny mety ho fahafahan’ny vadinao na ireo olon-tianao hafa ho any an-danitra rehefa maty? Mihevitra ve ianao fa mety ho any amin’ny afobe ianao na izy ireo amin’ny farany?
Ilay fanadihadiana dia nampiseho fa 78 isan-jato no nihevitra fa ny mety ho fahafahany ho any an-danitra dia tsara na tsara tokoa, ka izany dia mihoatra noho ny isan’ireo namaly toy izany, 40 taona lasa teo ho eo izay. Ary ny afobe? Fito amby fitopolo isan-jato teo ho eo no nilaza fa ny mety ho fahafahany handeha any dia kely.
Moa ve ny valin-tenin’izy ireo mifototra amin’ny fahalalana araka ny marina ny Baiboly? Olona 4 tamin’ny 10 teo ho eo anefa no niaiky fa tsy nanatrika fotoam-pivavahana firy toy ny nataony tamin’ny dimy taona lasa izay. Valo amby roapolo isan-jato monja no nilaza fa anisan’ny vondrona fianarana Baiboly ary 27 isan-jato monja no tao amin’ny kilasy fampianarana ara-pivavahana.
Raha mianatra ny Baiboly amim-pitandremana ianao, dia hahita zava-misy mahagaga sasantsasany. Ohatra, ny Baiboly dia milaza mazava tsara fa nankany amin’ny “afobe” i Jesosy rehefa maty, araka ny ilazalazan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany azy. (Asan’ny Apostoly 2:31, King James Version; “Hadesy”, Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao). Ny Tenin’Andriamanitra dia manaporofo koa fa na i Davida Mpanjaka na i Jaona Mpanao Batisa dia samy tsy nisy nankany an-danitra rehefa maty. (Matio 11:11; Asan’ny Apostoly 2:29). Izany dia zava-misy fa tsy fiheverana fotsiny avy amin’ny fanadihadiana ara-pivavahana iray.
Indreto zava-misy hafa izay mety hisy heriny eo aminao: Ny Baiboly dia mampianatra fa ireo apostolin’i Jesosy sy ireo hafa voafetra ny isany no hakarina ho any an-danitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy. Ny ankamaroan’ny olona izay nody mandry kosa dia nankany amin’ny fasana iombonan’ny olona fotsiny. Hanangana azy ireny Andriamanitra, ary hamerina azy amin’ny fiainana eto an-tany amin’ny fahatsinjovana ny fiainana tanteraka sy feno fahasambarana ary tsy hanam-pahataperana ao amin’ny paradisa voaorina indray eto an-tany.
Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hanorina ny fototra azo itokiana ny amin’izany fanantenana izany avy ao amin’ny Baibolinao manokana.