FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/5 p. 32
  • “Niaro Ahy ny Vavolombelon’i Jehovah!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Niaro Ahy ny Vavolombelon’i Jehovah!”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/5 p. 32

“Niaro Ahy ny Vavolombelon’i Jehovah!”

MARO no nampiseho ny tenany ho ‘lozabe, tsy manam-pitiavana izay tsara’ mandritra izao andro farany izao. (2 Timoty 3:1, 3, NW ). I Isaac, mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower atsy Afrika Andrefana, dia nahita fa marina izany. Nitantara izy hoe:

“Nandeha tamin’ny lalana nangingina iray aho tamin’ny Janoary 1992, tao anatin’ny taksia be iray, niaraka tamin’ny mpandeha dimy hafa. Nanomboka resadresaka tamin’ilay vehivavy nipetraka teo anilako aho, ary nandray tamim-pifaliana bokikely mifototra amin’ny Baiboly avy tamiko izy.

“Tampoka teo, tamin’ny efatra ora tolakandro teo ho eo, dia nisy fiarakodia vaovao tsy nisy nomerao nitsivalana teo anoloanay, ary nikiririoka nijanona ny fiarakodianay. Nisy lehilahy goavana telo, samy nitana basy, nitsambikina avy tao anatin’ilay fiarakodia hafa ary nanokatra mafy ny vavaravaranay. ‘Mivoaha daholo ianareo’, hoy ny fitreron’ny iray tamin’izy ireo.

“Nandrombaka ny kitapoko fitondrako boky ny lehilahy hafa iray. Rehefa hitany fa tsy nisy afa-tsy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tao, dia natsipiny lavitra ilay kitapo. ‘Inona koa no anananao?’, hoy izy nanontany, sady nanambana basy ahy. Nanome azy haingana ny vola tao anatin’ny poketrako aho. ‘Izay ve izy rehetra?’, hoy izy nanontany. Nilaza taminy aho fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenako ary fa tsy mba milaza lainga ny Vavolombelona. Nalainy tamiko an-keriny ny poketrako, hitany ny karatra famantarana ahy nomen’ny Watch Tower ary avy eo dia hoy izy: ‘Eny àry, ry Watchtower. Miandrasa eto.’

“Avy eo, dia nitodika tany amin’ilay vehivavy niresahako tao anatin’ilay taksia izy. Nanaisotra haingana ny rojony ilay vehivavy ary nanome azy ny vola tao anatin’ny poketra keliny. Rehefa nomarihin’ilay mpanendaka ilay bokikely teny an-tanan’ilay vehivavy nipararetra, dia nihevitra izy fa niaraka izahay, ary nanao baiko taminy izy mba hijanona hiaraka amiko.

“Tamin’izay fotoana izay ihany, dia nanafika tamin-kabibiana ireo mpandeha niaraka taminay ireo jiolahy nitam-piadiana hafa. Nikapoka sady nandroba ilay mpamily sy ilay lehilahy hafa niara-nandeha taminay izy ireo. Nandrombaka ny rojon’ilay vehivavy faharoa ny mpangalatra hafa iray. Rehefa nanohitra ilay vehivavy, dia novelezin’izy ireo tamin-kalozana tamin’ny vody basy ny lohany sy ny tratrany mandra-pahafatiny. Nisintona ilay vehivavy fahatelo hivoaka avy tao anatin’ilay fiarakodia izy ireo ary nitifitra azy teo amin’ny tratrany. Nampalahelo fa maty koa izy. Izaho sy ilay vehivavy tanora niaraka tamiko ihany no navela tsy naninon-tsy naninona tanteraka.

“Rehefa nentin’ny mpitondra fiarakodia sendra nandalo iray izahay tatỳ aoriana, dia tsy nitsahatra namerimberina ilay vehivavy raiki-tahotra hoe: ‘Niaro ahy ny Vavolombelon’i Jehovah!’ ”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara