FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/10 p. 32
  • Nanao Izany Izy Ireo Noho ny Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao Izany Izy Ireo Noho ny Fitiavana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/10 p. 32

Nanao Izany Izy Ireo Noho ny Fitiavana

NITAIZA ny zanany vavy tanora efatra ho Kristiana marina ny vehivavy maty vady iray, mahatoky sady mahay mampiantrano vahiny, any Kanada. Voamarik’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona fa nila fanamboarana be ny tranony. Tsy nananany, na ny vola, na ny fahaizana hanaovana samirery ilay asa. Koa nifanaraka tamin’ny fotopoto-pitsipika voalazalaza ao amin’ny 1 Timoty 5:9, 10, dia nandamina tsy an-kiteniteny ny hamitana ilay asa ho azy, ireo loholona. Tamin’ny fomba ahoana?

Natao ny planina mba tsy haha-tao an-trano an’ilay vehivavy maty vady sy ireo zanany nandritra ny dimy andro. Olona maherin’ny 80 tao amin’ny kongregasiona no nanome ny fanohanany tamin’ny fo manontolo, ka nanao fanomezana fitaovana sy vola ary fotoana. Raha vantany vao nanainga ilay fianakaviana, dia nirohotra nanerana ilay trano tahaka ny tantely ireo mpiasa dodona. Namboarina ny ivelany manontolo tamin’ilay trano. Notampenana sy nolokoana ireo rindrina. Nokikisana tamin’ny ampaly ireo gorodona ary nosoloana ny fanamboniny. Napetaka ny tailan-gorodona sy ny karipetra vaovao. Nohatsaraina ny kojakoja rehetra ilaina momba ny elektrisite sy ny jiro. Na dia ny fanaka tonta aza dia nosoloana. Vita tao anatin’ny dimy andro monja ny fanavaozana tanteraka!

Niteraka resa-be mihitsy teo amin’ny manodidina ilay rivo-piainana feno fahataitairana sy asa. Nampihetsi-po aoka izany ny mpiara-monina iray 80 taona ny ezaka nataon’ny Vavolombelona, hany ka nitondra ny borosiny fandokoana izy ka nisisika hanampy. Nanao fanomezana fivoahan-tsetroka ho an’ny fatana tao an-dakozia ny mpampiasa ny iray tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo. Nanao fanomezana lalimoara vaovao fasiana fitaovana ao an-dakozia ny mpampiasa hafa iray. Niaiky volana aoka izany ny lehilahy iray, hany ka naniry hahafantatra bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanaiky tamim-pahadodonana ny zavatra vita an-tsoratra Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, izy.

Hita mazava teo amin’ny endrik’ilay vehivavy maty vady sy ireo zanany vavy ny fahatairana tanteraka rehefa niverina izy ireo. Nisy ranomaso sy fihomehezana ary fifamihinana be dia be tamin’izay — fotoan’ny fitiavana kristiana sy ny fihetseham-po tsy hay hohadinoina. Eny tokoa, mariky ny tena Kristianisma ny fitiavana sy ny fiahiana marina ny mpikambana mahantra ao amin’ny kongregasiona, satria hoy ny nosoratan’i Paoly: “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” — Galatiana 6:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara