‘Tsy Misy Hafa Amin’ny Vy Mandranitra ny Vy’
TEO amin’ny faramparan’ny taonjato fahatelo am.f.i., dia nisy lehilahy tanora maotina iray nantsoina hoe Anthony, nolazalazaina ho “Kristiana copte”, nisintaka niala tamin’izao tontolo izao ary nandany 20 taona nitokanana tany an’efitra. Nahoana? Nihevitra izy fa izany no fomba tsara indrindra hanompoany an’Andriamanitra. Izy no ermite, na mpitoka-monina ara-pivavahana voalohany nanan-kery nitaona lehibe tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
Amin’izao andro izao, dia vitsy ny ermite ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Kanefa dia olona mihamaro kokoa hatrany no mitady fitokanana amin’ny fomba hafa. Tsy mety miresaka amin’ny hafa momba ny fivavahana izy ireo, noho ny fiheverana fa mitarika ho amin’ny tsy fifanarahana sy ny fifandirana ny resaka toy izany. Ny fanompoam-pivavahan’izy ireo dia voaforon’ny tsy fanisian-dratsy ny mpiara-belona aminy indrindra indrindra.
Marina fa tapany amin’ny fivavahana marina ny tsy fanisian-dratsy ny mpiara-belona amin’ny tena, kanefa dia bebe kokoa no ilaina. Milaza toy izao ny ohabolana tranainy iray: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” (Ohabolana 27:17). Ny zava-misy dia hoe, mampirisika ny Kristiana hiara-mivory ny Baiboly, fa tsy hampitokana tanteraka ny tenany amin’izao tontolo izao na amin’ireo Kristiana hafa. (Jaona 17:14, 15). Hoy izy io hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika [mivory, NW ]”. (Hebreo 10:24, 25). Manaraka io torohevitra io ny Vavolombelon’i Jehovah. Imbetsaka ao anatin’ny herinandro izy ireo no miara-mivory mba ‘hifandranitra tarehy’, hanorina ny finoan’ireo mpiray finoana. Hitan’izy ireo fa tsy mitarika ho amin’ny fifandirana ny firesahana ny amin’ny Baiboly an-karihary sy amim-pahatsorana. Mitarika ho amin’ny firindrana sy ny fihavanana kosa izany. Izany dia tapany tena lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana marina.