FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/4 p. 32
  • “Mila Fiaretana Ianareo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Mila Fiaretana Ianareo”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/4 p. 32

“Mila Fiaretana Ianareo”

“MILA fiaretana” isika raha tiantsika ny hahazo ny “fahatanterahan’ny fampanantenana”. (Hebreo 10:36, NW ). Manazava ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly fa ny teny grika nadika hoe “fiaretana” izay nampiasain’i Paoly ao amin’io andinin-teny io, dia matetika natao hilazalazana “ny fahaizan’ny zavamaniry iray mivelona ao anatin’ny toe-javatra sarotra sy tsy tsara”.

Any amin’ireo tendrombohitr’i Eoropa, dia misy zavamaniry iray toy izany tokoa maniry. Hafahafa ihany anefa fa antsoina hoe miaina-mandrakizay izy io. Mazava ho azy fa tsy miaina mandrakizay io zavamaniry any amin’ny Alpes io, nefa maharitra an-taonany maro kosa izy io, ka mamelana voninkazo tsara tarehy isaky ny fahavaratra. Hazavain’ny The New Encyclopædia Britannica fa nomena an’ilay zavamaniry ny anarana hoe miaina-mandrakizay noho ny ‘toetrany mahatanty zava-tsarotra sy mateza’. (Ny anarana siantifikan’ireny zavamaniry amin’ny karazana antsoina hoe Sempervivum ireny, dia midika koa hoe “miaina-mandrakizay”.)

Izay mahatonga io zavamaniry mateza io hahavariana dia izy maniry amin’ny toerana ngazana indrindra. Azo atao ny mahita azy io avo be any amin’ireo tehezan-tendrombohitra faohin-drivotra, izay mety hidinan’ny hafana tampoka hatrany amin’ny 35° C ao anatin’ny 24 ora monja. Afaka mamaka any amin’ny tsefaky ny vatolampy eo amin’ny tany kely fotsiny izy io. Inona avy ny sasany amin’ireo tsiambaratelon’ny fiaretany ao anatin’ny toe-javatra mazana toy izany?

Ilay miaina-mandrakizay dia manana ravina be nofo izay manangona rano amim-pitandremana. Izany dia mahatonga azy io ho afaka hanararaotra amin’ny fomba feno ny hamandoana rehetra azo raisina avy amin’ny orana na ny orampanala mitsonika. Ambonin’izany, izy io dia maniry manome fehezana, izay mampiray ny tanjany mba hahazo fikitra mafy amin’ny toerana aniriany be vatolampy. Rehefa any amin’ireo tsefaka izy io no mamaka, dia mahazo fiarovana sasany amin’ny toetr’andro, na dia mety ho kely fotsiny aza ny tany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, izy io dia mitombo amin’ny fanaovana izay handraisan-tsoa be indrindra avy amin’ny toe-javatra sarotra.

Amin’ny lafiny ara-panahy, dia mety hahita ny tenantsika ao anatin’ny toe-javatra izay mitsapa ny toetran’ny fiaretantsika isika. Inona no hanampy antsika hiaritra ao anatin’ny fitsapana? Tahaka ilay zavamaniry miaina-mandrakizay, dia afaka mitahiry ny ranon’ny Tenin’Andriamanitra manome fiainana mandrakizay isika, sy mikambana akaiky amin’ireo Kristiana mba hahazo fanohanana sy fiarovana. Ambonin’izany rehetra izany, tahaka ilay voninkazo any amin’ny Alpes, isika dia tsy maintsy mifikitra mafy amin’i Jehovah, ilay ‘vatolampintsika’, ary koa amin’ny Teniny sy ny fandaminany. — 2 Samoela 22:3.

Ilay zavamaniry miaina-mandrakizay dia tena fampahatsiahivana manintona marina fa, na dia ao anatin’ny tontolo iainana iray mazana aza, dia afaka miaritra isika raha manararaotra ireo fandaharana azo raisina. Manome toky antsika i Jehovah fa ny fiaretana toy izany dia hitarika ho amin’ny ‘fandovantsika ny fampanantenana’, izay hidika ara-bakiteny ho fiainana mandrakizay. — Hebreo 6:12, NW; Matio 25:46.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara