Mandinika Zavatra Mahasolo Ra Ireo Manam-pahaizana Manokana
NISY manam-pahaizana manokana sahabo ho 200, avy tany amin’ny faritra rehetra manerana an’i Etazonia, nivory tany Cleveland, Ohio, tamin’ny asabotsy 7 Oktobra 1995, mba handinika ny amin’ny foto-kevitra iray mihamahaliana hatrany ny sehatry ny fitsaboana: ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra.
Nodinihina ny toe-javatra sarotra maromaro. Ohatra, ahoana raha azon’ny tsy fahampian-dra mamely tampoka ny marary iray? Ahoana no ahafahana mitsabo ny zazakely iray teraka tsy tonga volana tafahoatra loatra, tsy misy fampiasana ra? Azo atao amim-pahombiazana tsy misy fampidiran-dra ve ny fandidiana fo? Mahaliana fa ny fandidiana tsy ampiasana ra — matetika ampiasana teknika izay manampy ny vatana hampitombo ny ra ao aminy — dia efa nampiharina tamin’ireo tarehin-javatra rehetra ireo ka nahitana vokatra tsara.a
Nahoana no ilaina ny zavatra mahasolo fampidiran-dra? “Fantatsika fa ny fampidiran-dra dia matetika no mamindra aretina, indrindra fa ny hépatite”, hoy i Sharon Vernon, talen’ny Foibe ho An’ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra, ao amin’ny Hopitaly Mpanao Asa Soa St. Vincent, any Cleveland. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Na dia rehefa tsy mamindra tsimokaretina aza ny ra, dia afaka ny hanakantsakana ny fiasan’ny hery fanefitr’ilay marary.” Na dia nihena aza ny fifindran’ny SIDA noho ny fanaovana sivana amin’ny ra, dia mbola misy aretina maro ihany tsy voatsirika amin’ireny fitsapana ireny. Ary na dia eo aza ny ilana ny hanaovana fanomanana bebe kokoa, ny fandidiana tsy ampiasana ra dia hita fa tsy dia andanian’ny hopitaly vola, satria manaisotra ireo olana araka ny lalàna izay mety ho vokatry ny nandraisan’ny marary ra misy otrikaretina, izy io.
Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia misy antony lehibe kokoa mahatonga azy hanalavitra ny fandraisana ra: ny lalàn’Andriamanitra mandrara azy io. (Asan’ny Apostoly 15:29). Na izany aza, dia irin’izy ireo ny hahazo izay fitsaboana tsara indrindra azo atao. Noho izany dia miara-miasa amin’ireo dokotera izay mitarika fikarohana ho amin’ny fitsaboana tsy ampiasana ra izy ireo. Izany dia mitondra soa, tsy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany, fa ho an’ny olon-kafa maro izay manahy ny amin’ireo loza entin’ny fampidiran-dra koa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Novambra 1993, pejy faha-24-27, sy ny Mifohaza! tamin’ny 8 Febroary 1996, pejy faha-31.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
WHO photo by P. Almasy