FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/12 p. 20-21
  • “Koa Aiza Izay Fiangonanareo?”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Koa Aiza Izay Fiangonanareo?”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/12 p. 20-21

“Koa Aiza Izay Fiangonanareo?”

APETRAKA matetika amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah atsy Mozambika io fanontaniana io. Raha ny marina, hatramin’ny fotoana tsy ela izay, dia fanontaniana saro-baliana izy io. Izany dia noho ny tsy nahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fanekena ho ara-dalàna tao amin’io tany io hatramin’ny 1991. Koa tamin’izany, dia tsy azo natao ny nanana toerana anaovana fanompoam-pivavahana azo fantarina mazava sady voaorina.

Kanefa, niova izany tarehin-javatra izany tamin’ny 19 Febroary 1994. Tamin’io andro nigaingaina sy nibaliaka io dia notokanana ireo Efitrano Fanjakana roa voalohany sambany vao naorina tao Mozambika. Olona 602 tamin’ny fitambarany no tonga tamin’ny fitokanana ireo toeram-pivoriana kanto dia kanto ireo tao an-tanàna seranan’i Beira, izay teo amin’ny tokony ho antsasa-dalana amin’ny moron-tsirak’i Mozambika. Kongregasiona telo no hampiasa azy ireo ao amin’io tanàna io.

Nitaky asa mafy naharitra herintaona sy roa volana ilay tetik’asa manontolo, nanomboka tamin’ny fametrahana ny fototra ka hatramin’ny famitana ny trano. Matetika dia mpiasa an-tsitrapo 30 na mihoatra avy tao Zimbabwe teo akaiky no tonga nifarimbona tamin’ireo Vavolombelona teo an-toerana. Koa satria izy rehetra tsy afaka nilasy tao amin’ny tranon’ny misionera tao Beira, izay nampiasaina ho foiben’ny fampandehanana ny asa, dia namelatra lay nanodidina ilay trano ny sasany nandritra ny faran’ny herinandro ary nandritra ny herinandro maro tamin’ny fotoana iray, tamin’ny tarehin-javatra sasany.

Eo amin’ny arabe lehibe indrindra ao Beira no toerana misy ilay Efitrano Fanjakanan’ireo Kongregasionan’i Massamba sy i Munhava. “Tamin’ny andro iray nanaovan-javatra be dia be, rehefa nandeha haingana ny asa ka tena azo notsapain-tanana ny fandrosoany”, hoy ny nomarihin’ny misionera iray, dia “nanatri-maso lozam-pifamoivoizana izahay satria nibanjina ny Efitrano Fanjakana ireo mpamily nandalo, saika nanadino fa namily fiara ny tenany.” Maro no nijanona mba hijery ny asa, ary nanaitra ny sain’izy ireo indrindra ny nisian’ny firazanana samy hafa niara-niasa toy ny iray.

Drafitra sy fandaminana be dia be no tafiditra tamin’ilay asa. Tsy mba sahala amin’ireo tetik’asa hafa maro any amin’io faritra eto amin’izao tontolo izao io, izay sarotra ny ahazoana ireo fitaovana sy vola, fa tsy niato noho ny tsy fahampian-tahiry mihitsy ny asa fanaovana ireo Efitrano Fanjakana. Tamin’ny fotoana iray, dia simenitra 800 lasaka no nilaina, ary ilay hany toerana afaka nanome azy io dia tsy nanana ireo lasaka hasiana ilay simenitra. Nifandray tamin’ny biraon’ny Sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany Maputo renivohitra, ireo rahalahy; nalefa tamin’ny fiaramanidina ireo lasaka, nentina tany amin’ilay orinasa mpamokatra simenitra mba hofenoina. Nitohy tsy nitsahatra ny asa.

Tamin’ny fotoana hafa iray, fony teo am-pametrahana ny sakamandimby amin’ny rairaindrihan-tafo ny antoko-mpiasa, dia tsy ampy ny tsỳ (acier) hamatorana azy. Noho ny maha-faran’izay sarotra ny fahazoana azy io, dia nohafarana avy tany ivelany, tany amin’ny 600 kilaometatra ny tsỳ! Ny lehilahy iray izay nijery teo dia nohatonin’ny iray tamin’ireo mpiasa ka nanontaniana raha nahafantatra toerana izay nety hahitana tsỳ mba hamitana ny asa izy. Namaly toy izao ilay lehilahy: “Adiny iray aho no nijoro teto, ary tsy nety ho kisendrasendra izany. Tsy misy azoko atao afa-tsy ny midera ny asa tontosainareo sy ny toe-tsaina anaovana itỳ tetik’asa itỳ. Manana ilay vy ilainareo mihitsy aho, ary hahafaly ahy ny hanolotra izany ho fanomezana ho anareo.” Hita fa fandaharana tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra izany.

Mpitazana maro no nanontany tena hoe kompania lehibe mpanao fanorenana iza no niandraikitra ilay tetik’asa. Mazava ho azy fa nahafaly aoka izany ilay antoko-mpiasa ny nilaza tamin’izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah, izay nanolotra ny tenany an-tsitrapo hanao asa, izy ireo. Inona indrindra indrindra no tena nanaitra ny mpandinika? “Vahoaka tafaray ianareo”, hoy ny iray. “Na dia avy amin’ny firazanana samy hafa aza ianareo, dia miara-miasa toy ny mpirahalahy.” Ny vokany dia maro no tonga nangataka fampianarana Baiboly. Nisy fiantraikany teo amin’ny fivoriana koa izany. Ny salanisan’ny mpanatrika fivoriana ao amin’ny Kongregasionan’i Manga, ohatra, dia mihoatra ny avo roa heny amin’ny isan’ny Vavolombelona.

Tena hita fa fitahiana lehibe marina ho an’ireo Vavolombelona teo an-toerana ireo Efitrano Fanjakana vaovao. Tany aloha, ny ankamaroan’izy ireo dia nivory tao amin’ny toerana tsotra fotsiny nisy tafo bozaka na takela-by vitsivitsy teo amboniny, tany an-tokotany, na tao amin’ny efitrano kely iray any an-tranon’olona manokana. Lena izy ireo matetika rehefa nanorana ny andro; kanefa nanatrika tamim-pahatokiana ny fivoriana izy ireo. Nandritra ny am-polony taona maro dia ireny no hany “Efitrano Fanjakana” fantatry ny Vavolombelona tany Mozambika. Nanambara toy izao ny Rahalahy Caetano Gabriel, loholona iray ao amin’ny Kongregasionan’i Massamba: “Velom-pankasitrahana an’ireo rahalahinay maneran-tany izahay noho ny anjara lehibe noraisin’izy ireo tamin’ny fanatontosana itỳ tetik’asa itỳ.” Nahatsiaro toy izao ny Vavolombelona tanora iray: “Fony tany Carico (“toby fanarenana”, izay nanibohana ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny 12 taona teo ho eo) izahay, dia nilaza izahay fa ‘haharitra amim-pahatokiana izahay, ka hovalian’i Jehovah soa’. Valisoa avy amin’i Jehovah ilay Efitrano Fanjakana vaovao.” Ny tenin’izy ireo dia milaza ny fankasitrahany lalina sy ny fahatapahan-keviny hidera an’i Jehovah.

Vonton’ny toe-tsain’ny mpisava lalana ny tanora maro izay nandray anjara tamin’ny asa fanorenana, ka nanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra taorian’izany. Izao no nomarihin’i Isabel tanora, mpisava lalana maharitra ao amin’ny Kongregasionan’i Manga, teo am-pijerena ilay Efitrano Fanjakana madio tsy misy tsininy, ny andro talohan’ny nitokanana azy: “Amiko dia itỳ no toerana kanto indrindra eto amin’ny tanànan’i Beira. Fahafinaretana faran’izay lehibe ho ahy ny eto.” Nohazavain’i Adão Costa, misionera iray, fa ireo manam-pahefana teo an-toerana dia vonon-kiara-miasa indrindra, tamin’ny fanomezana lalana ho amin’ny fanafarana entana manokana avy any ivelany noho izy ireo nahafantatra ny fanaovan’ny Vavolombelona ny marina. Avy eo, dia nanampy teny toy izao izy: “Na dia tena reraka aza izahay, dia fifaliana ny mahita ny vokatr’io asa rehetra io ho voninahitra sy ho fiderana an’i Jehovah.”

Ankehitriny, na rahoviana na rahoviana no manontany ny mponina iray ao amin’ny tanànan’i Beira hoe: “Koa aiza izay fiangonanareo?”, dia manazava aminy ny toerana misy ny iray amin’ireo Efitrano Fanjakana roa vaovao ny Vavolombelona, ary mamaly amin’izao teny izao: “Eo amin’ny Arabe Iraisam-pirenena Avenida Acordo de Lusaka no misy azy io, eo ampitan’ny Paositry ny Polisy Escadron Fahefatra.” Avy eo, dia manampy izao fanitsiana izao izy: “Kanefa, tsy fiangonana izy io, fa Efitrano Fanjakana!”

[Sarintany/Sary, pejy 20]

(Jereo ny gazety)

AFRIKA

Mozambika

Beira

Maputo

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara