FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/2 p. 32
  • Handrava Izao Tontolo Izao ve Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Handrava Izao Tontolo Izao ve Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/2 p. 32

Handrava Izao Tontolo Izao ve Andriamanitra?

ARAKA ny Papa Jean-Paul II, dia afaka miandrandra ny hoavy amim-patokiana ny olombelona. Nandritra ny tantara manontolo, hoy ny nomarihiny, “dia nanota foana ny olombelona, angamba ota lehibe kokoa noho izay voalazalaza talohan’ny safo-drano aza”. Na izany aza no izy, dia nanazava ny papa hoe: “Avy amin’ireo tenin’ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Noa, dia takatsika fa tsy misy ota, amin’izao fotoana izao, afaka mitarika an’Andriamanitra handrava ny tontolo izay noforoniny.”

Marina ve fa tsy handrava izao tontolo izao na oviana na oviana Andriamanitra? Milaza ny Baiboly fa taorian’ny Safo-drano, dia nilaza tamin’i Noa Andriamanitra hoe: “Tsy haringako amin’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.” (Genesisy 9:11). Milaza ny papa fa Andriamanitra dia “namatotra ny tenany tamin’ireo teny ireo mba hiaro [ny tany] tsy horavana”.

Lazain’ny Baiboly mazava fa tsy hamela ny planetantsika ho rava ilay Mpamorona. “Ny tany mbola maharitra mandrakizay”, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 1:4). Misy zavatra maro kokoa tokony hianarana avy amin’ny Safo-drano anefa — zavatra izay tsy noresahin’ny papa.

Nilaza i Jesosy fa ny toe-piainana eto an-tany amin’ny fotoan’ny fanatrehany dia ho “tahaka ny andron’i Noa”, fony ‘tsy nahafantatra ny olona mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana azy rehetra’. (Matio 24:37-39). Toy izany koa, ny apostoly Petera dia nanoratra fa toy ny “nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy”, “ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy” koa dia mandrahona itỳ tontolo ankehitriny itỳ. — 2 Petera 3:5-7.

Hadinon’i Jesosy sy i Petera ve ny faneken’Andriamanitra tamin’i Noa? Tsy izany velively! Araka ny nolazain’Andriamanitra tamin’ny fanekeny tamin’i Noa, dia tsy hampiasa safo-drano izy mba hamaranana itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Hampiasa kosa ny herin’ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, dia i Jesosy Kristy, izy. (Apokalypsy 19:11-21). Araka ny Baiboly àry, dia tsy ho potika ny tany, fa ny ‘tontolon’ny olombelona’ ratsy no tsy isalasalana fa hifarana. (Ohabolana 2:21, 22; Apokalypsy 11:18). Aorian’izay, “ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”. — Salamo 37:29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara