FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/6 p. 32
  • Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fanatsaran-tarehy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fanatsaran-tarehy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/6 p. 32

Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fanatsaran-tarehy

NANORO hevitra toy izao ny apostoly Petera rehefa avy niresaka ny amin’ny “zavatra ivelany” nampiasain’ny vehivavy mba hampitomboana ny hatsaran-tarehiny: “Ny hatsaran-tarehinareo kosa dia tokony ho ilay tena maha ianareo anareo, ilay hatsaran-tarehy tsy mety lefy ananan’ny toe-tsaina malefaka sy tony, izay sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra.” — 1 Petera 3:3, 4, Today’s English Version.

Mahaliana fa rehefa nanoratra momba izany ravaka ivelany izany ilay apostoly, dia nampiasa endriny iray amin’ilay teny grika hoe koʹsmos, izay niavian’ilay teny hoe “cosmétique”, izay midika ho zavatra “manatsara ny tarehy, indrindra fa ny hoditra”. Moa ve i Petera nandrara ny vehivavy kristianina mba tsy hampiasa makiazy na zavatra hafa fanatsaran-tarehy? Tsy misy na inona na inona milaza izany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mamela ny tsirairay hanapa-kevitra manokana ny amin’io raharaha kosa izy, ka azo ampoizina, noho izany, ny hisian’ny fahasamihafana sasany eo amin’ny fitiavan-javatra manokana.

Raha tafahoatra anefa ny makiazy, na tonga hatramin’ny hoe mahasaikatra olona maro, dia inona no hafatra ampitain’izany? Moa ve izany tsy mampita hafatra hoe tsy manendrika, manimba maso, manao haingon’adala, jejo, na tsy mahalala afa-tsy ny tenany? Eny tokoa, vao mainka manaratsy ny fisehoana ivelan’ny vehivavy iray izany, ka angamba aza mahatonga ny hafa hieritreritra azy ho ratsy fitondran-tena. — Ampitahao amin’ny Ezekiela 23:36-42.

Takatry ny vehivavy “manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra” izany ka, raha mifidy ny hanao makiazy izy, dia hikely aina mba hahatonga ny bikany hampiharihary fa marika mampiavaka azy ny saina mahay mitsara zavatra sy ny toetra malefaka sy ny hatsaram-panahy ary ny fahamaotinana. Ny toetra toy izany dia hampitombo ny hatsaran’ny bika aman’endriny sy ny toetoetrany mambabo. Na mifidy ny hanao makiazy izy na tsia, dia hampiseho fahamendrehana sy hatsaran-toetra anaty izy, raha ny marina. Izany dia hanome taratry ny fahafantarany fa misy zavatra tsara kokoa noho fanatsaran-tarehy, araka ny asehon’ny tenin’i Petera voatonona etsy ambony. — 1 Timoty 2:9, 10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara