Tari-dalana eo Amin’ny Fifidianana Namana Tsara
IREO mitovy taona aminy, fa tsy ny ray aman-dreniny, no itodihan’ny tanora mba hahazoana tari-dalana momba ny fomba fitafy sy ny mozika, hoy ny fanamarihan’ny tatitra iray tao amin’ny Reader’s Digest. Tena zava-dehibe àry ny hahalalan’ny ray aman-dreny ny hoe iza no miaraka amin’ny zanany ary aiza.
“Andraikitrareo ny mamotopototra”, hoy i Esmé van Rensburg, mpampianatra ao amin’ny sampana psikôlôjia ao amin’ny oniversite iray any Afrika Atsimo. Hoy ny teny nanampiny: “Tena azo inoana fa ho sorena aminao ny zanakao, saingy hanindry ny fony izy.” Nanome izao torohevitra manaraka izao ho an’ny ray aman-dreny izy avy eo: Ny fitsipika omena dia tokony ho lôjika no sady hifono heviny lehibe sy voafaritra tsara; henoy ny zanakao; aza mora tezitra, fa aoka ianao ho tony hatrany, ary saino tsara izay holazainao. Raha efa nampifamatotra fisakaizana tamin’ny naman-dratsy iray ny zanakao, dia mifantoha amin’ilay fitondran-tena tsy mety naterak’ilay fisakaizana, fa aza mandrara befahatany fotsiny hoe tsy azo atao intsony ny miaraka amin’iny.
Hatramin’ny ela no efa nisy tao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ny torohevitra tsara ho an’ny ray aman-dreny. Milaza toy izao, ohatra, izy io: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. (Jakoba 1:19). Manome izao torohevitra tsara dia tsara izao koa ny Soratra Masina mahakasika ny namana fidina: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Ireo ohatra ireo dia mampiseho mazava ilay fahendrena mivelatra eo anoloan’ireo mamaky ny Baiboly amim-pankasitrahana, ka mampihatra izay lazainy eo amin’ny fiainana andavanandro.