Fanazavana ny Hevitry ny Baiboly — Inona no Misy Akony eo Amin’izany?
NY FAMARITANA iray omen’ny diksionera iray ny teny hoe “manazava hevi-teny” dia hoe “mihevi-javatra miorina amin’ny zavatra inoan’ny tena, na ny fiheveran’ny tena, na ny tarehin-javatra misy ny tena”. Mazàna àry no misy akony eo amin’izay rehetra mety ho fanazavana hevi-teny ataon’ny olona iray ny fanabeazana sy ny fitaizana azony.
Ahoana anefa ny amin’ny fanazavana hevi-teny ao amin’ny Baiboly? Moa ve isika afaka manazava andinin-teny araka izay ‘zavatra inoantsika, na ny fiheverantsika, na ny tarehin-javatra misy antsika’? Mazava ho azy fa ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly sy mpandika tenin’ny Baiboly dia milaza fa tsy manao izany izy ireo, nefa kosa tarihin’Andriamanitra ny tenany.
Ohatra iray ny amin’izany izay voalazan’ny fanamarihana ambany pejy ho an’ny Jaona 1:1, ao amin’ny A New Version of the Four Gospels, nivoaka tamin’ny 1836, nataon’i John Lingard, izay nisalotra solon’anarana hoe “Katolika”. Izao no voalazan’io fanamarihana ambany pejy io: “Ny olona avy amin’ny antokom-pinoana rehetra dia samy mahita porofo manamarina ny hevitry ny tenany manokana, ao amin’ny [Soratra Masina]. Raha ny marina tokoa mantsy, dia tsy ny Soratra Masina no mampahafanta-javatra azy ireo, fa izy ireo no manome ny fanazavany manokana ny amin’izay tokony ho hevitry ny teny ao amin’ny Soratra Masina.”
Na dia marim-pototra aza izany hevitra izany, inona no zava-kendren’ilay mpanoratra? Io teniny io dia natao hanohanana ny fomba fanazavany ny hevitr’ilay andininy, izay nadikany hoe: “Tany am-boalohany ‘ny teny’; ary ‘ny teny’ niaraka tamin’Andriamanitra; ary ‘ny teny’ dia Andriamanitra.” Dikan-teny mahazatra avy amin’ny mpanohana ny andriamanitra telo izay iray izany.
Natao hanohanana ny foto-pinoana momba ny andriamanitra telo izay iray ny fomba nandikan’io mpanoratra io ny Jaona 1:1, kanefa inona no nanosika azy hanao izany? Ny ‘Soratra Masina ve no mampahafantatra’ azy fa izany no tokony hatao? Tsy mety ho izany no izy, satria tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly ilay fampianarana momba ny andriamanitra telo izay iray. Mariho izay voalazan’ny The New Encyclopædia Britannica, momba izany: ‘Tsy hita mihitsy ao amin’ny Testamenta Vaovao na ny teny hoe andriamanitra telo izay iray na ny foto-pinoana mazava momba azy io.’ Fanampin’izany, dia nanamarika toy izao i E. Washburn Hopkins, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Yale: ‘Toa tsy fantatr’i Jesosy sy i Paoly ny foto-pinoana ny amin’ny andriamanitra telo izay iray; tsy nilaza na inona na inona momba izany izy ireo.’
Inona àry no fanatsoahan-kevitra azontsika atao momba ireo milaza fa manohana ny foto-pinoana momba ny andriamanitra telo izay iray ny Jaona 1:1 na ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly? Araka ny fepetra famaritana nomen’Atoa Lingard, dia “tsy ny Soratra Masina no mampahafanta-javatra azy ireo, fa izy ireo no manome ny fanazavany manokana ny amin’izay tokony ho hevitry ny teny ao amin’ny Soratra Masina”.
Soa ihany fa manana ny Tenin’Andriamanitra hitarika antsika isika ny amin’izany. “Fantatrareo voalohany indrindra”, hoy ny apostoly Petera, “fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” — 2 Petera 1:20, 21.