“Natahotra An’Andriamanitra” Izy Ireo
FONY mbola andevo tany Ejipta ny Isiraelita, dia tojo tarehin-javatra sarotra dia sarotra i Sifra sy i Poa, mpampivelona hebreo. Koa satria haingana be ny fitomboan’ny isan’ireo mponina vahiny, dia nitady hampihena izany i Farao, ka nandidy an’ireo vehivavy ireo toy izao: ‘Raha mampivelona ny vehivavy hebreo ianareo, ka zazalahy, dia vonoy.’ — Eksodosy 1:15, 16.
“Natahotra an’Andriamanitra” i Sifra sy i Poa, koa nisikina herim-po izy ireo ka “tsy nanao araka izay nolazain’ny mpanjakan’i Egypta taminy”. Nitsimbina kosa ny ain’ny lahy kely izy ireo, na dia nahatonga ny tenany hotandindomin-doza aza izany fijoroany tamim-pahasahiana izany. “Nasian’[i Jehovah] soa ny mpampivelona”, ary nomeny valisoa izy ireo noho ny asa famonjena aina nataony. — Eksodosy 1:17-21.
Hamafisin’io fitantarana io fa ankasitrahan’i Jehovah ireo manompo azy. Ho azony natao ny nihevitra ny zavatra nataon’i Sifra sy i Poa ho asa soa fotsiny, na dia nitaky herim-po aza. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy misy vehivavy salama saina hamono zaza menavava! Na izany aza, dia tsy isalasalana fa nasian’i Jehovah fiheverana ny hoe nanao zavatra mahatsiravina ny olona sasany, noho ny tahotra olona. Fantatr’i Jehovah fa tsy hatsaram-panahin’olombelona fotsiny no nanosika ireo mpampivelona ireo fa teo koa ny tahotra an’Andriamanitra sy ny fifikirana taminy.
Velom-pankasitrahana tokoa isika afaka manompo Andriamanitra iray izay mahamarika ny zavatra ataontsika amim-pahatokiana! Marina aloha fa tsy misy amintsika angamba niatrika ilay fitsapam-pinoana nahazo an’i Sifra sy i Poa. Na izany aza anefa, dia tsy heverin’i Jehovah ho tsy misy vidiny firy ny fitiavana tsy mivadika asehontsika, rehefa miorina mafy amin’ny fanaovana izay tsara isika — na any an-tsekoly izany, na any am-piasana, na amin’izay toe-javatra hafa rehetra. Mifanohitra amin’izany aza fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” izy. (Hebreo 11:6). Eny, “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany”. — Hebreo 6:10.