Fahaizana Mampifandanja ny Asa sy ny Fialam-boly
“FITAFIANA kanto ny fialam-boly, kanefa tsy ho ampy raha izy io foana no anaovana.” Tamin’ireo teny ireo, dia nanao ohatra mety tsara momba ny hasarobidin’ny fialam-boly ny mpanoratra iray tsy nitonona anarana. Nasehony anefa fa tokony hampifandanjaina amin’ny fanaovan-javatra mamokatra izy io.
Nanintona ny saina ho amin’io raharaha io koa i Solomona, mpanoratra ao amin’ny Baiboly nahazo tsindrimandry. Nampahafantatra fihetsika tafahoatra roa tokony hohalavirina, io mpanjaka hendry io. Voalohany, dia izao no nomarihiny: “Ny adala manohon-tànana ka homana ny tenany.” (Mpitoriteny 4:5). Eny, mety hitondra olona iray ho ao anatin’ny fahantrana ny fahalainana. Vokatr’izany, dia mety hotandindomin-doza ny fahasalaman’ilay kamo, eny fa na dia ny ainy mihitsy aza. Etsy an-danin’izany anefa, dia misy olona sasany manao sorona ny zava-drehetra eo ambonin’ny alitaran’ny asa mafy. Nolazalazain’i Solomona ho “zava-poana sy misambo-drivotra” ny fikelezan’izy ireo aina tsy misy fitsaharana. — Mpitoriteny 4:4.
Misy antony marim-pototra matoa i Solomona nampirisika ny hahaizana mandanjalanja: “Tsara ny eran-tanan’ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.” (Mpitoriteny 4:6). Tokony ‘hampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany’ ny olona iray, izany hoe, tokony haka fotoana mba hankafizana izay azony avy amin’ny fisasarany izy indraindray. (Mpitoriteny 2:24). Ary tokony hisy zavatra hafa ankoatra ny asa fivelomana eo amin’ny fiainana. Mendrika hanokanana ny sasany amin’ny fotoanantsika ny fianakaviantsika. Nantitranterin’i Solomona fa ny adidintsika voalohany dia tsy ny asa fivelomana akory, fa ny fanompoana an’Andriamanitra. (Mpitoriteny 12:13). Anisan’ireo manana fiheverana voalanjalanja mahakasika ny asa ve ianao?